Repoblika Demôkratikan' i Kôngô
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia firenena ao Afrika Afovoany. Izy no firenena ao Afrika ngeza indrindra eo aorian' i Aljeria; izy koa no firenena ngeza indrindra sy be mponina indrindra ao Afrika Afovoany. Iantsoana azy koa ny hoe Kôngô-Kinshasa mba tsy hifangaroany amin' i Kôngô-Brazzaville. I Kinshasa no renivohiny, avy eo no niavian' ilay anarana hoe Kôngô-Kinshasa. Atao hoe Kôngôley na Kinôkôngôley ny vahoakan' io firenena io. I Zaira koa no anaran' io firenena io tamin' ny 1971 hatramin' i 1997, teo izy niova Repoblika Demôkratikan' i Kôngô. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no firenena be mponina indrindra ao amin' ny fikambanan' ny firenena miteny frantsay eo alohan' i Frantsa.
République démocratique du Congo ((fr)) | |||||
Repubilika ya Kongo Demokratiki kg | |||||
Jamhuri ya Kidemokrasia ya Kongo sw | |||||
Republiki ya Kongó Demokratiki ln | |||||
Ditunga dia Kongu wa Mungalaata lua | |||||
Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : « Justice, Paix et Travail » | |||||
Teny ofisialy | fiteny frantsay (fiteny lingala, fiteny kikôngô, fiteny soahily ary fiteny tsiloba dia manana ny satan' ny fitenim-pirenena) | ||||
Renivohitra | Kinshasa 4° 24' S, 15° 24' E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Kinshasa | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Piraiministra |
Repoblika Félix Tshisekedi Jean-Michel Sama Lukonde | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 12 2 345 000 km² 3,3 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 18 66 514 504 mpo. 27 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Kôngôley | ||||
Sandam-bola | Franc Kôngôley (CDF ) | ||||
Faritr'ora | UTC +1 et +2 | ||||
Hiram-pirenena | Debout Congolais | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+243 |
Manamorona ity firenena ity ny Repoblikan' i Kôngô ao andrefana, ny Repoblikan' i Afrika Afovoany ao avaratra, i Sodàna Atsimo ao avaratra-atsinanana, i Oganda ao atsinanana-avaratra-atsinanana, i Roanda sy i Borondy ao atsinanana, i Tanzania (eo amin' ny Farihy Tanganyika) ao atsinanana-atsimo-atsinanana, i Zambia ao atsimo-atsimo-atsinanana, i Angôla ao atsimo-atsinanana, i Cabinda any Angôla ao andrefana, ary ny Ranomasimbe Atlantika Atsimo.
Zanatany belza taloha i Kôngô izay nahazo fahaleovan-tena tamin' ny taona 1960. Tamin' ny 1971 izy dia nitondra ny anarana hoe Zaira, avy eo ny hoe Repoblika Demôkratikan' i Kôngô tamin' ny taona 1997.
Vondrom-poko anjatony maro no mandrafitra ny mponina ao amin' ilay firenena; ny fiteny frantsay no fiteny ôfisialy ary fiteny banto efatra (fiteny lingala, fiteny kikôngô-ia-leta (antsoina koa hoe “kikôngô” ivelan' ny Kôngô-Afovoany), ny fiteny soahily ary ny fiteny tsiloba) no manana ny satan' ny fitenim-pirenena. Ny toekarena dia mifototra indrindra amin' ny seha-pihariana voalohany (fambolena sy fitrandrahana).