Prôtestantisma eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny prôtestantisma eto Madagasikara dia efa tonga teto amin' ny Nosy tamin' ny vanim-potoana faha mpanjaka (taonjato faha-18) ka laharana faharoa manaraka ny katôlisisma izy raha ny isan' ny mpino ao aminy no jerena. Ny prôtestantisma eto Madagasikara dia misy fiangonana maro ka ny roa voalohany tonga teto Madagasikara dia ny kalvinisma (izay anisan' ny nipoiran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara) sy ny loteranisma (izay nipoiran’ ny Fiangonana Loterana Malagasy). Tsy ireo ihany no endrika isehoan' ny prôtestantisma eto Madagasikara amin' izao fotoana izao fa ao koa ireo fiangonana hafa izay tsy dia mahazatra ny Malagasy ny miantso azy hoe "prôtestanta" na tsy te hatao hoe "prôtestanta". Ankehitriny, ny 25 %n' ny Malagasy dia Prôtestanta[1].