Kalvinisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kalvinisma dia foto-pampianarana teôlôjika prôtestanta sy fomba fijery ny fiainana kristiana izay mifototra amin' ny fiandrianan' Andriamanitra amin' ny zavatra rehetra. Na dia maro ireo teôlôjiana nampandroso ny kalvinisma toa an' i Martin Bucer, i Wolfgang Musculus, i Heinrich Bullinger, i Pierre Martyr Vermigli, i Ulrich Zwingli ary i Théodore de Bèze, dia ny anaran' ilay mpanitsy fiangonana (refôrmatora) frantsay Jean Calvin no nentin' io firehana ara-teôlôjia prôtestanta iray io noho ny akon' ny fampianarany sy ny ady hevitra nataony tamin' ny taonjato faha-16 momba ny fanekem-pinoana sy ny anjara toeran' ny fiangonana eo amin' ny fiainan' ny kristiana. Ankehitriny dia ilazana ny foto-pampianarana sy ny fanaon' ny Fiangonana nohavaozina sy presbiteriana ary kôngregasiônalista izany. Indraindray dia ilazana ny fampianaran' i Jean Calvin fotsiny ihany ny hoe kalvinisma. Ny kalvinisma dia fantatra koa amin' ny fampianarana ny amin' ny fanendran' Andriamanitra mialoha (na predestinasiona) sy ny fahasimban' ny olona tanteraka noho ny fahotana nolovana.