Paoly (apôstôly)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Paoly Apôstôly, Apôstôly Paoly, Paoly avy any Tarsisy na Paoly avy any Tarsa na Masindahy Paoly dia apôstôlin' i Jesoa nefa tsy anisan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo lahy. Mizaka ny zom-pirenena rômana izy sady Jiosy fariseo. Talohan' ny naha apôstôly azy dia mpanenjika ny fivavahana kristiana izy nefa niova finoana taty aoriana. Nanorina fiangonana maro izy sady nanoratra epistily maro koa, izay atao hoe epistilin' i Paoly.
Απόστολος Παύλος / Apostolos Paulos ("Paoly Apostoly") no ahafantarana azy amin' ny teny grika fa Paulus Tarsensis ("Paoly ilay Tarsiana") kosa amin' ny teny latina.
I Paoly, izay mitondra ny anarana jiosy hoe Saoly, teraka tamin' ny fiandohan' ny taonjato voalohany, angamba tany Tarsôsy any Kilikia (na Silisia) ary maty tamin' ny taona 67 tany Rôma, dia olo-malaza teo amin' ny kristianisma tany am-piandohana. Jiosy sy olom-pirenena rômana tamin' ny fahaterahany izy, nanenjika ny mpianatr' i Jesoa izy talohan' ny nilazany ny tenany ho apôstôly, na dia tsy anisan' ireo Apôstôly roa ambin' ny folo aza. Noho izany, i Paoly dia lasa isan' ny olo-malaza teo amin' ny fampielezana ny kristianisma ivelan' ny vondrom-piarahamonina (fiangonana) jiosy sy jodeô-kristiana ary koa tany amin' ireo vondrom-piarahamonina kristiana voalohany tany Azia Minora, tany Gresy ary tany Rôma. Ny lovantsofina kristiana dia miantso azy hoe "Apôstôlin' ny Jentilisa" (na Apôstôlin' ny Jentily"), izany hoe Apôstôlin' ny tsy Jiosy.
Nandritra ny fitorian-teny mandehandeha nataony, izay nanomboka tamin' ny taompolo 40 ka hatramin' ny taompolo 60, dia nandefa taratasy (na epistily) maromaro ho an' ireo fiangonana voalohany ireo izy. Ireo taratasy ireo, antsoina hoe "taratasin' i Paoly na "epistilin' i Paoly", izay voasoratra talohan' ny Filazantsara, no tahirin-kevitra tranainy indrindra momba ny fivavahana kristiana. Izy ireo dia maneho ny iray amin' ny fototry ny teôlôjia kristiana, indrindra eo amin' ny sehatry ny kristôlôjia, sady loharano lehibe momba ny niandohan' ny kristianisma, raha jerena ny tantara.