Tarsa

From Wikipedia, the free encyclopedia

Tarsa

I Tarsa na Tarsôsy na Tarsy dia tanàna any atsimon' ny afovoan' i Torkia, 20 km miala ny Mediteranea, ao amin' ny faritra ara-tantaran' i Kilikia na Silisia (amin' ny teny tiorka: İçel). Izy io dia ampahany amin'ny faritry ny renivohitra Adana-Mersin, faritra lehibe indrindra fahefatra ao Torkia misy mponina 3 tapitrisa. Atao hoe Tārša izy amin' ny teny hitita, Ταρσός / Tarsós amin' ny teny grika, Տարսոն / Tarson amin' ny ​​teny armeniana, ary طَرَسُوس / Ṭarsūs amin' ny teny arabo.

Thumb

Efa 6 000 taona ny tantaran' i Tarsa izay toerana manan-danja ho an' ny sivilizasiôna isan-karazany nandritra ny taonjato maro. Nandritra ny Empira Rômanina, i Tarsa no renivohitry ny faritany rômanan' i Kilikia na Silisia. Tao no nisy ny fihaonana voalohany teo amin' i Marko Antonio sy i Kleôpatra, ary toerana nahaterahan' i Paoly Apôstôly. Ankehitriny i Tarsa dia distrika any amin' ny ilany atsinanan' ny Faritanin' i Mersin ao afovoan' ny Faritra Çukurova ao Torkia.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.