From Wikipedia, the free encyclopedia
I Mesôpôtamia na Mezôpôtamia dia faritra tany Atsinanana Akaiky, teo anelanelan' ny ony Tigry (na Tigra na Tigrisy) sy Eofrata sady mifanandrify amin' i Iràka sy ny ampahany amin' i Siria ary i Iràna amin' izao fotoana izao.
Teny grika ny hoe Μεσοποταμία / Mesopotamía, ka ny hoe μεσο / meso midika hoe "anelanena" na "afovoana" ary ny hoe ποταμός / potamós midika hoe "ony", ara-bakiteny ny hoe Mesôpôtamia dia midika hoe "eo anelanelan' ny ony".
Nisy sivilizasiôna sy firenana maro nifandimby na niara-nanjaka tao ka ireto no natanjaka tamin' ny Andro Taloha:
Nanomboka tany amin' ny taonjato faha-34 tal. J.K. hatramin' ny taonjato faha-2 taor. J.K. izany tantara izany nefa misy zava-pantatra ihany talohan' io fari-potoana io.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.