I Joany Apôstôly na Jaona Apôstôly na Jôhany Apôstôly, izay atao hoe Joany na Jaona na Jôhany fotsiny ihany, dia anisan' ny mpianatr' i Jesoa (na Jesosy) roa ambin' ny folo lahy. Atao hoe Joany zanak' i Zebede na Jaona zanak' i Zebedio koa izy sady rahalahin' i Jakôba zanak' i Zebedio (na Jakôba zanak' i Zebede). Mpanjono ny asany. Misy ny mpandinika mihevitra fa i Joany Apôstôly dia tsy iza fa i Joany Evanjelista ihany. Ao koa anefa ireo izay mandà izany. Fanampin' izany dia heverin' iretsy farany fa tsy olon-tokana no nanoratra ny Filazantsaran' i Jaona.

Ny anarany

Atao hoe Ἰωάννης / Iôannês io anarana io amin' ny teny grika, יהוחנן / Yehohānan kosa amin' ny teny hebreo fa ܝܘܚܢܢ ܫܠܝܚܐ / Yohanan Shliha kosa amin' ny teny arameana. Ataon' i Jesoa hoe Βοανηργές / Boanerges izy sy i Jakôba rahalahiny.

I Joany Apôstôly araka ny Baiboly

Araka ny Filazantsara sinôptika

Ao amin' ny Evanjely sinôptika i Joany dia anisan' ny mpianatr' i Jesoa voatanisa aloha (Mar. 3.16-19; Mat. 10.2-5; Lio. 6.13-16) miaraka amin' i Jakôba Zokiny.

Mpanjono ao amin' ny farihy Tiberiada (na Tiberiasy na Galilea na Genesareta) izy nefa nandao ny haratony fa hanaraka an' i Jesoa sahala amin' i Petera sy i Andrea (Mar. 1.16-20; Mat. 4.18-22; Lio. 5.1-11). Araka ny Evanjelin' i Marka dia nomen' i Jesoa ny anarana hoe Boanergesy (Βοανηργές / Boanerges), izay midika hoe "zana-baratra", izy sy i Jakôba rahalahiny (Mar. 3.17).

Niaraka tamin' i Jesoa teo an-tendrombohitra i Petera sy i Jakôba ary i Joany tamin' ny fotoan' ny fiovan-tarehy (Mar. 9.2; Mat. 17.1; Lio. 9.28).

Anisan' ny mpianatra niaraka tamin' i Jesoa tamin' ny fanasitranana ny renin' i Petera (Mar. 1.29) sy ny fanasitranana ny zanakavavin' i Jairo lehiben' ny sinagôga i Joany (Mar. 5.37; Lio. 8.51).

Niditra an-tsehatra tamin' ny anaran' ny mpianatra izay nisakana olona hanao fahagagana amin' ny anaran' i Jesoa i Joany (Mar. 9.38; Lio. 9.49)

I Jakôba sy i Joany, izay samy zanak' i Zebedeo, dia nangataka ny mba hipetraka eo akaikin' i Jesoa rehefa tonga amin' ny voninahiny i Jesoa ka nahatezitra ny mpianatra sisa izany (Mar. 10.35-45).

Nanontany an' i Jesoa teo amin' ny Tendrombohitra Ôliva i Petera sy i Jakôba ary i Andrea (Mar. 13.3) ary nanambara tamin' i Petera sy i Jakôba ary i Joany ny fanahiany i Jesoa (Mar. 14.33).

Araka ny Asan' ny Apôstôly

"Ary rehefa tafiditra izy, dia niakatra ho any an-trano ambony, izay fitoerany, - dia Petera sy Jaona sy Jakoba sy Andrea, Filipo sy Tomasy, Bartolomeo sy Matio, Jakoba zanak' i Alfeo, sy Simona Zelota ary Jodasy, zanak' i Jakoba" (Asa 1.13).

Nanatrika ny nanasitranan' i Petera lehilahy malemy tongotra mpipetraka eo amin' ny vavahady Itsaraendrika fidirana ao amin' ny Tempoly i Joany teo amin' ny vavahady ka nidera an' Andriamanitra. Nahavory vahoaka betsaka izy ireo tamin' izany (Asa 3.1-11).

Nisambotra an' i Petera sy an' i Joany ny mpisorona be sy ny Sadoseo noho izy ireo nanao fahagagana tamin' ny anaran' i Jesoa ka nitondra azy teo anatrehan' ny Sinedriona (Asa 4.1-19).

Nalefa tany Samaria izay efa nitoriana ny filazantsara i Petera sy i Joany ka nametra-tanana tamin' ny olona mba hilatsahan' ny Fanahy Masina (Asa 8.14-25).

I Joany Apôstôly sy ny Filazantsaran' i Joany

Ny tsy fahitana ao amin' ny Evanjelin' i Joany ny sombin-tantara andraisan' i Joany zanak' i Zebedio anjara ao amin' ny Evanjely sinôptika, toy ny fananganan-ko velona ny zanakavavin' i Jairo na ny fiovan-tarehy teny an-tendrombohitra, dia mampanontany tena ny amin' i Joany avanjelista.

Ny asasoratra lazaina fa nosoratan' i Joany apôstôly

Lahatsoratra kanônika

Ny lovantsofina kristiana dia manao an' i Joany Apôstôly ho nanoratra ny Evanjelin' i Joany. Mampitovy an' ilay "mpianatra tian' i Jesoa" amin' i Joany avanjelista izany lovantsofina izany. Lazaina koa fa i Joany apôstôly no nanoratra ny boky mamorona ny atao hoe "Tahirin-tsoraratr' i Joany" na "Tahirin-tsoraratra jôhanika", dia:

Mpikaroka maro anefa no manohitra ny maha nanoratra evanjely an' i Joany apôstôly sy ny maha olon-tokana ny nanoratra ny boky ao amin' ny Tahirin-tsoratr' i Joany. Milaza ny mpahay tantara sasany fa ny nanoratra ny Evanjelin' i Joany dia i Joany Zokiny nefa tsy eken' ny mpikaroka hafa izany.

Lahatsoratra apôkrifa

Maro koa ny asasoratra lazaina fa nosoratan' i Joany nefa tsy voaray ho kanôna, dia ireto izany:

  • Asan' i Joany (en)
  • Asan' i Joany tany Rôma (en)

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.