From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jamaîka dia firenena any Amerika Afovoany, anisan' ny Antilia, ao amin' ny Ranomasina Karaiba, ao andrefan' i Haity sy ao atsimon' i Kioba. Ny renivohiny dia i Kingston.
Jamaica ((en)) | |||||
Jamaika ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Out of Many One People | |||||
Teny ofisialy | fiteny anglisy | ||||
Renivohitra | Kingston 17°59′N 76°48′W | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Kingston, Montego Bay | ||||
Fitondrana sy governemanta - Mpanjakavavy - Governoran'i Jamaika - Praiministra |
Fanjakana ara-antenimiera Elisabeth II Patrick Allen Andrew Holness | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 158 11 425 km² 1,5 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 135 2 804 332 mpo. 245 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Jamaikana, Jamaikanina | ||||
Sandam-bola | Dollar jamaikanina (JMD ) | ||||
Faritr'ora | UTC -5 | ||||
Hiram-pirenena | Jamaica, Land We Love | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+1-876 |
Ankoatra ny morontsiraka atsimo, izay ahitana lemaka midadasika, dia be tendrombohitra ny nosy Jamaîka: ny tangoron-tendrombohitra lehibe indrindra, ny Blue Mountains, dia mahatratra 2 256 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina. Isan-karazany ny zavamaniry: sedera, mahogany, palisandra, hazo ebôny, hazo rofia zeny, voanio, sns. Ny biby, toy ny an' ny amin' ny nosy sisa amin' ireo Antilles, dia ahitana karazana vorona maro. Ny ankamaroan' ny Jamaikana dia taranaky ny andevo mainty nentina tany amin' ilay nosy teo anelanelan' ny taonjato faha-17 sy faha-19, manampy azy ireo ny Eorôpeana sy ny Aziatika (Indiana sy Sinoa). Ny kristianisma no fivavahana be mpanaraka ao amin’ io nosy io.
Ny fambolena no seha-pihariana nentim-paharazana ao, nefa ny toekaren' i Jamaika dia mifototra amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany (izy no mpamokatra baoksita fahatelo lehibe indrindra eran-tany) sy ny fizahantany.
Avy amin' ny fiteny araoàka hoe Xamayca (midika hoe "tanin-kazo sy rano") io firenena io; ny Araoàka dia tonga tany Jamaîka tamin' ny taonjato faha-11.
I Christophe Colomb no Eorôpeanina nahita azy voalohany tamin' ny taona 1494, ary namorona ny tanàna Sevilla la Nueva (ankehitriny atao fotsiny hoe Seville, tanàna any andrefan' i Saint Ann's Bay eo amin' ny morontsiraka avaratra). I Colomb dia nampiasa ilay tanàna ho an' ny fianankaviany. Elaela taty aoriana, niala tao Sevilla la Nueva ny mpanjana-tany espaniôla, satria nolazainy fa tsy azo ipetrahana, nifindra toerana tany amin' ny faritra atsimon' i Jamaîka ny Espaniôla. Tany izy no namorona tanàna vaovao: Santiago de la Vega (ankehitriny Spanish Town). Ny teratany araoàka dia nataon' ny Espaniôla ho mpiasany sy andevony, ary voaringana haingana ny ankabeazan' ny Araoàka tao Jamaîka. Efa tsy nisy teratany intsony tao Jamaîka tamin' ny faran' ny taonjato faha-16.
Ny amiraly anglisy Penn sy ny jeneraly Venables dia naka ilay nosy tamin' ny taona 1655 ary lasa zanatany britanika noho izany ny Jamaîka tamin' ny taona 1670, teo anelanelan' izany, ny ankabeazan' ny mpanjanatany espaniôla dia niala tao Jamaîka ary nakany Kioba, mbola espaniôla. Ny amiraly Penn dia nanova ny anaran' i Santiago de la Vega ho Spanish Town.
Ankoatra ny morontsiraka atsimo, izay ivelaran' ny lemaka dia be tendrombohitra ny nosy Jamaika: ny tandavan-tendrombohitra lehibe indrindra, ny Blue Mountains ("Tendrombohitra Manga"), dia mahatratra 2 256 m.
Isan-karazany ny zavamaniry: sedera, rotse (mahogany), palisandra, ebena, palmie zeny, voanio, sns. Ahitana karazam-borona maro ny any, toy ny an’ny any amin’ny faritra misy ireo nosy Antilia.
Ny ankamaroan' ny Jamaikana dia taranaky ny andevo mainty nentina tany amin' ilay nosy teo anelanelan' ny taonjato faha-17 sy faha-19, izay nampian' ny Eorôpeana sy Aziatika (Indiana sy Sinoa). Ny kristianisma no fivavahana be mpanaraka indrindra ao amin' ilay nosy.
Ny fambolena no sehatr' asa nentim-paharazana any Jamaika nefa ny toekareny dia miha mifototra amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany sy ny fizahan-tany. Izy no mpamokatra baoksita fahatelo lehibe indrindra eran-tany.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.