![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/langmg-640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png&w=640&q=50)
Fitenim-paritra malagasy tandrefana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fitenim-paritra malagasy tandrefana dia vondrom-pitenim-paritry ny fiteny malagasy azo amin' ny alalan' ny fanasokajiana voalohany ny fitenim-paritra malagasy, ka ny mifanohitra aminy dia ny fitenim-paritra malagasy tatsinanana. Anisan' ireo fitenim-paritra ireo dia ny fiteny antankarana, ny fiteny tsimihety, ny fiteny sakalava, ny fiteny masikoro, ny fiteny bara, ary ny fiteny tandroy-mahafaly.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png)