![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/langmg-640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny tsimihety
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny tsimihety dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina any amin' ny faritra misy ny Tsimihety, any amin' ny faritra avaratra-afovoan' i Madagasikara: ao amin' ny faritanin' i Mahajanga, hodidinin' ny tanin' ny Antakarana avy ao avaratra, ny Betsimisaraka avy ao atsinanana, ny Sihanaka avy ao atsimo ary ny Sakalava avy ao andrefana. Tamin' ny taona 1996 dia nisy 1 016 000 ny mpiteny tsimihety.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png)