![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/langmg-640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny sakalava
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny sakalava amin' ny endriky ny fiteny malagasy isam-paritra (fitenim-paritra), tenenina indrindra ao amin' ny faritra nentim-paharazana misy ny Sakalava: any amin' ny tapany andrefana sy avaratra-andrefana ary atsimo-andrefan' i Madagasikara, miainga avy any Ampasimena (avy any avaratra) ka mianatsimo mihazo an' Analalava, Mahajanga, Besalampy, Maintirano, Morondava, Morombe ary Toliara.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png)
Misy karazay roa ny fitenin' ny Sakalava, dia ny fiteny sakalava avaratra (any amin' ny faritr' i Boeny) sy ny fiteny sakalava atsimo (any amin' ny faritr' i Menabe) izay manakaiky ny fiteny masikoro. Ny hany tena mampiray ny fitenim-paritra sakalava samihafa dia ny maha-isan' ny vondrona andrefana amin' ny fitenim-paritra malagasy ianjadian' ny herin' ny fiteny avy any Afrika, izay mampiavaka azy ireo amin' ny fiteny malagasy ao afovoan-tany sy amin' ny morontsiraka atsinanana eto amin' ny Nosy, izay tena aostrôneziana (malaiô-pôlineziana) fiteny.