![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/cb/Toliara01.jpg/640px-Toliara01.jpg&w=640&q=50)
Toliara
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Toliara na Toliary dia kaominina malagasy, renivohitry ny distrikan' i Toliara I, Faritra Atsimo-Andrefana, Faritanin' i Toliara, tanàna lehibe indrindra any atsimo amin' i Madagasikara. 540 km miala an' i Fianarantsoa ary 951 km miala an' Antananarivo renivohitra, any am-piafaran' ny lalam-pirenena faha-7 no misy ity seranan-tsambo ity. Ny kaodin-kaominina dia 52099 ary ny kaodin-distrika dia 520.
Kaominina ambonivohitr' i Toliara | ||
![]() | ||
Velarantany | NC | |
Isam-ponina | 195 904 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | Vita Dédé Sidson[1] | |
Firenena | ![]() | |
Faritany | Toliara | |
Faritra | Atsimo-Andrefana |
Ny isan' ny mponina ao aminy dia 195 904 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2000. Tombanana ho 250 000 mahery ny mponina tao tamin' ny taona 2014. Amin' ny maha-tanàna misy seranan-tsambo azy dia toerana lehibe fanafarana sy fanondranana entana toy ny taretra, savony, tsiraka rongony, landihazo, vary ary voanjo.