![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/langmg-640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny bara (malagasy)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny bara dia iray amin' ny fitenim-paritra malagasy tetenina any amin' ny faritra misy ny Bara: any afovoany-atsimon' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ary Anosy, voafaritry ny renirano Zomandao any avaratra, ny faritra onenan' ny Tanala any atsinanana, ny ony Onilahy any atsimo andrefana, ary ny havoanan' Analavelona ao andrefana sy avaratra-andrefana. Anisan' ny fitenim-paritra tandrefana mandray roa ny fiteny bara.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png)
Ny fiteny bara dia tenenin' ny mponina any amin' ny faritra atsimo amin' ny lembalemba afovoan' i Madagasikara, voahodidin' ny faritra miteny betsileo (any avaratra), ny faritra miteny tanala (any atsinanana) ny faritra miteny mahafaly sy antandroy (any atsimo-andrefana) ary ny faritra miteny masikoro (ao andrefana).
Ny 69 % amin' ny voambolana bara dia mitovitovy amin' ny an' ny fiteny merina ao amin' ny Lembalemba Afovoany.