![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a5/Mangoki_drainage.png/640px-Mangoki_drainage.png&w=640&q=50)
Zomandao
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Zomandao dia reniranon' i Madagasikara izay manana halava mirefy 283 km, izay mamakivaky ny faritra Matsiatra Ambony sy ny faritra Ihorombe ao amin' ny tapany afovoany atsimon' i Madagasikara. Ao amin' ny tangorom-bohitra Andringitra ao amin' ny tendrombohitra Boby no ipoirany, ka mamakivaky ny lemaka Zomandao. Isan' ireo renirano lehibe manompo an' i Mangoky ny renirano Zomandao. Ahitana riandrano maro izy ka isan' izany i Riandahy sy i Riambavy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a5/Mangoki_drainage.png/320px-Mangoki_drainage.png)