Ny Filazantsaraarakaan' iMarka, na VaovaoMahafalyarakaan' iMarka, na Evanjelyarakaan' iMasindahyMarka dia faharoa amin' ny filazantsara kanônika ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly. Ny asa nataon' i Jesoa na Jesosy no tian' ny mpanoratra hampitaina: asehony i Jesoa eo am-panatanterahana ny asany amin' ny fanasitranana ny marary, amin' ny fampitomboana isa ny mofo ho an' ny vahoaka. Tantarain' ny mpanoratra izany asa izany mba hanaporofoany ny maha avy amin' Andriamanitra an' i Jesosy. Tsy latsaky ny 18 ny isan' ny fahagagana tantarainy. Ao amin' ny andininy voalohany fotsiny dia efa milaza sahady ny mpanoratra fa i Jesoa no "Zanak' Andriamanitra" (Mar. 1:1) ary any amin' ny faran' io vaovao mahafaly io dia taterin' ny mpanoratra ny resak' ilay manamboninahitra miaramila rômana teo am-pototry ny hazo fijaliana hoe: "Marina tokoa fa Zanak' Andriamanitra io lehilahy io" (Mar. 15:39).
Asehon' ny mpanoratra koa fa tsy nataon' i Jesoa hitadiavany laza ny fahagagana nataony: fantatr' i Jesosy fa tsy maintsy hijaly izy. Izany no nahatonga ny mpanoratra haneho ny fiainan' i Jesoa ho toy ny fiomanany amin' ny hahafatesany. Imbetsaka i Jesosy no manambara mialoha ny hijaliany sy ny hahafatesany. Amin' ny mpanoratra dia vaovao tsara izany fahafatesany izany satria heveriny fa mahatanteraka ny faminanian' i Isaia (Isaia 53:12): avy izy "hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro" (Marka 10:45) sady araka ny efa nambarany dia hitsangana amin' ny maty izy satria tsy afaka ny hitoetra ao am-pasana ny Zanak' Andriamanitra.
Ny Filazantsaran' i Marka dia nosoratana ho an' ny Kristiana avy amin' ny Jentilisa (na Jentily) izay tokony hanazavana tsara ny fitenenana avy amin' ny fiteny arameana sy hebreo ary tokony hanazavana ny fomba amam-panao jiosy na jody. Anisan' ny filazantsara sinôptika ny Filazantsaran' i Marka. Teo anelanelan' ny taona 60 sy 75 no nanoratana azy. Misy toko 16 ity boky ity.
Ny hoe Filazantsara araka an' i Marka, na Evanjely araka an' i Marka, dia fanagasiana ny teny grika hoe Kατὰ Μάρκον εὐαγγέλιον / Kata Markon euangélion. Amin' ny teny latina dia Evangelium secundum Marcum no iantsoana azy.
Ny Prôtestanta malagasy dia manoratra hoe Filazantsara araka an' i Marka na Filazantsara nosoratan' i Marka. Ny Katôlika malagasy kosa dia manoratra hoe Evanjely araka an' i Masindahy Marka na Evanjely nosoratan' i Masindahy Marka. Fiteny ihany koa ny hoe Vaovao Mahafaly araka an' i Marka na Vaovao Mahafaly nosoratan' i Marka.
Ny mpanoratra
Araka ny lovantsofina dia i Marka, no nanoratra ny Filazantsara araka an' i Marka.
Ny fotoana nanoratana
Teo anelanelan' ny taona 60 sy 75 no nanoratana ny Filazantsara araka an' i Marka.
Araka ny petra-kevitry ny loharano roa dia manana anjara toerana amin' ny famahana ny "olana sinôptika", dia ny fisian' ny fifanahafana sy ny tsy fitoviana eo amin' ny filazantsara telo, ny Filazantsaran' i Marka. Araka io petra-kevitra io dia ny Filazantsaran' i Marka no tranainy indrindra amin' ny filazantsara sinôptika telo, ary ny mpanoratra ny Filazantsaran' i Matio sy ny Filazantsaran' i Lioka dia naka ampahany avy ao amin' ny Filazantsaran' i Marka.
Ny fifanahafana hita amin' ireo filazantsara sinôptika ireo dia azo aseho amin' ny alalan' ny tarehimarika. Ny 80%n' ny lahatsoratra ao amin' ny Filazantsaran' i Marka (andininy miisa 523 amin' ny 661) dia miseho koa ao amin' ny Filazantsaran' i Matio ary ny 55% (andininy 364 amin' ny 661) dia hita ao amin' ny Filazantsaran' i Lioka. Amin' ny andininy 661 ao amin' ny Filazantsaran' i Marka dia 26 ihany no azy manokana, ny 330 dia itambarany amin' ny Filazantsaran' i Matio sy ny Evanjelin' i Lioka, ary ny 325 dia noraisin' ny Filazantsaran' i Matio na ny Filazantsaran' i Lioka. Ny lahatsoratry ny Filazantsaran' i Marka dia hita saika manontolo ao amin' ny filazantsara roa hafa, izany hoe andininy miisa 635 amin' ny 661[1].
Ny andalana iraisan' ny Filazantsaran' i Matio sy ny Filazantsaran' i Lioka nefa tsy hita ao amin' ny Filazantsaran' i Marka dia mety notovozina tamin' ny loharano faharoa, izay tsy ananana intsony amin' izao, dia ny Loharano Q (ny Q dia fanafohezana ny teny alemàna hoe Quelle, izay midika fotsiny hoe "loharano"), izay fanangonan-tenin' i Jesoa (atao amin' ny teny grika hoe Logia).
Daniel Marguerat, «Le problème synoptique», in Introduction au Nouveau Testament: Son histoire, son écriture, sa théologie, Labor et Fides, 2008, p. 31-32.
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.