From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Faritra Amoron' i Mania dia iray amin' ny faritra 23 eto Madagasikara. Ao amin' ny tapany afovoan' ny Nosy, ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa no misy azy. Ambositra no renivohiny.
Faritra Amoron' i Mania
| |||
Fianarana no lova tsara | |||
Firenena | Madagasikara | ||
Faritany | Fianarantsoa | ||
Renivohi-paritra | Ambositra | ||
Distrika | 4 | ||
Lehiben'ny faritra | Tsy fantatra | ||
Fianarana no lova tsara | |||
Velarantany | 16 141 km2 | ||
Isam-ponina | 833 919 mpo. | ||
Hakitroky ny mponina | 51,66 mpo/km2 | ||
Fianarana no lova tsara | |||
Laharam-pehintany | ----- | ||
Laharan-jarahasina | ----- | ||
I Mania dia renirano ao avaratr' Ambositra, mianga avy any amin' ny faritr' Ifisakana ary mampisaraka ny faritr' Ambositra sy Antsirabe dia mivarina any ambany andrefana any Tsiribihina. Ifandriana sy Imadiala, Ambatofinandrahana sy Manandriana ary Ambositra izay misy ny renivohitra no mitambatra ho Faritra Amoron' i Mania.
Tanàna efa nalaza hatry ny ela kosa ary efa hatramin' ny andron' Andrianampoinimerina i Mahazoarivo (Fandriana), Imerin' Imady, Ambositra, i Manandriana, i Mahazoarivo (Manandriana) sy Ambohimitombo sy Itandroka (Ambohimanga-Atsimo izay tsy ao anatin' ny faritany ankehitriny) samy tanàna foiben' ny Zafimaniry. Tanàna samy manana ny lazany sy ny tantarany avokoa ireo tanàna ireo sy ny hafa maro koa izay tsy ho voatanisa eto.
Ny Betsileon' i Manandriana sy ny Betsileon' Ifisakana ary ny Zafimaniry (Ambinanindrano) no mponina ao amin' ny faritra Amoron' i Mania. Fambolena sy fiompiana ary taozavatra isankarazany toy ny rary sy ny sokitra no isan' ny mampiavaka azy sady fiveloman' ny olona. Malaza ho mpandranto sy mpikarama ary mpila ravinahitra eran' i Madagasikara sy hatrany ivelany ny terak' Amoron' i Mania.
Azo lazaina fa samy manana ny maha izy azy sy ny tantarany ny faritra madinika tsirairay: Ilaka, Iarinoro, i Sandrandahy, i Fandriana, i Mahazoarivo (Fandriana), Imito, i Tsarazaza, Andoharano, i Salakaina, Anjafimaniry, Imady sy i Maintinandry, Ivato, Antoetra, Isaha (Ambositra), Ivony sy Andina, i Manandirana, Ambatofinandrahana ary Isoavina.
Ny mponina ao Imady kosa dia saika mpifindra monina avy any Finarantsoa sy Manandriana no niandohany, saika ankamaroany àry dia zary nanana ny tantarany manokana efa talohan' ny 1700 ary tafakatra hatrany amin' ny 1400-1500 mihitsy aza raha ny fasana sy ny fivoarany no zohina, saika eran' ny faritr' Ambositra no ahitana ny fasam-bazimba (fasana anairotra), sy ny fasana efa nivoatra tato afara, dia ny fasambemaso sy ny vazoho ary ny fasana vita rary vato eto ivelany tsy mbola nampiasana simenitra; efa taty aoriana be mantsy ny fasana atao hoe tranovato na vita aloalo na tsy vita aloalo izany, dia ireo fasana mampiasa rangolahy vita amin' ny vato maromaro, ankehitriny moa dia ny fasana môderina no maro mpanao ka tena mifanalavitra amin' ireny fasan' ny Ntaolo ireny mihitsy.
Marihina koa fa isan' ny mampiavaka iny faritra iny ny fisian' ireo tatao sy vatolahy tranainy ankoatry ny fasana tranainy sy ny hadivory maro. Vakoka mendrika harovana sy mitahiry ny rakitry ny ela izy ireny ka tsy tokony hozimbazimabaina sy ho potehina, fa mila hasoavina sy hatsaraina hatrany ny manodidina azy, ka tokony harovan' ny fokontany tsirairay sy ny fokonolona mbamin' ny taraka aty aoriana.
Ireto ny distrika ao amin' io faritra io:
Faritany sy faritra eto Madagasikara:
Lahatsoratra samihafa
Didy aman-dalàna
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.