From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny faritany eto Madagasikara dia fizaràna' ny tanim-pirenena malagasy ara-pitantanan-draharaha sy ara-pôlitika izay miisa enina. Ireto avy izy ireo:
Teo aloha dia nanana ny fizakan-tenany ny faritany enina eto Madagasikara, ka natsoina hoe "faritany mizakatena". Amin' ny lafiny fanapariaham-pahefana dia voatsinjara ho distrika maromaro ny faritany iray. Ao amin' ny Lalàmpanorenan' i Madagasikara tamin' ny taona 2010 dia anisan' ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany eto Madagasikara, saingy tsy misy fanatanterahana izany ka lasa faritany ara-pitantanana ho amin' ny sampan-draharaham-panjakana sasany fotsiny izy ireo.
Ankehitriny dia nozaraina ho faritra 24 ireo faritany ireo: Diana, Sava, Itasy, Ambatosoa, Analamanga, Vakinankaratra, Bongolava, Sofia, Boeny, Betsibola, Melaky, Alaotra-Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Amoron' i Mania, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo-Atsinanana, Ihorombe, Menabe, Atsimo-Andrefana, Androy, ary Anosy.
Number | Faritra | Renivohitra | Mponina | Velarana (km²) | Hakitroky ny mponina |
---|---|---|---|---|---|
1 | Diana | Diego I | 485,800 | 19,266 | 25.2 |
2 | Sava | Sambava | 805,300 | 25,518 | 31.6 |
3 | Itasy | Miarinarivo | 643,000 | 6,993 | 91.9 |
4 | Analamanga | Antananarivo-Renivohitra | 2,811,500 | 16,911 | 166.3 |
5 | Vakinankaratra | Antsirabe I | 1,589,800 | 16,599 | 95.8 |
6 | Bongolava | Tsiroanomandidy | 326,600 | 16,688 | 19.6 |
7 | Sofia | Antsohihy | 940,800 | 50,100 | 18.8 |
8 | Boeny | Mahajanga I | 543,200 | 31,046 | 17.5 |
9 | Betsiboka | Maevatanana | 236,500 | 30,025 | 7.9 |
10 | Melaky | Maintirano | 175,500 | 38,852 | 4.5 |
11 | Alaotra-Mangoro | Ambatondrazaka | 877,700 | 31,948 | 27.5 |
12 | Atsinanana | Toamasina I | 1,117,100 | 21,934 | 50.9 |
13 | Analanjirofo | Fenoarivo_Atsinanana | 860,800 | 21,930 | 39.3 |
14 | Amoron'i Mania | Ambositra | 693,200 | 16,141 | 42.9 |
15 | Matsiatra Ambony | Fianarantsoa | 1,128,900 | 21,080 | 53.5 |
16 | Vatovavy-Fitovinany | Manakara | 1,097,700 | 19,605 | 56.0 |
17 | Atsimo-Atsinanana | Farafangana | 621,200 | 18,863 | 32.9 |
18 | Ihorombe | Ihosy | 189,200 | 26,391 | 7.2 |
19 | Menabe | Morondava | 390,800 | 46,121 | 8.5 |
20 | Atsimo-Andrefana | Toliara | 1,018,500 | 66,236 | 15.4 |
21 | Androy | Ambovombe | 476,600 | 19,317 | 24.7 |
22 | Anosy | Taolagnaro | 544,200 | 25,731 | 21.1 |
Lahatsoratra samihafa
Didy aman-dalàna
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.