![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/78/Fianarantsoa_voy.png/640px-Fianarantsoa_voy.png&w=640&q=50)
Faritanin' i Fianarantsoa
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Faritanin' i Fianarantsoa dia faritany iray amin' ny enina eto Madagasikara. Tamin' ny taona 2011 izy dia nanana velarana 103 272 km2 sy mponina 4 142 444. Ny hakitroky ny mponina dia 40 mp/ km2. Ny tanànan' i Fianarantsoa no renivohiny.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e9/Madagascar_-_Fianarantsoa.svg/640px-Madagascar_-_Fianarantsoa.svg.png)
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/78/Fianarantsoa_voy.png/320px-Fianarantsoa_voy.png)
Tsy vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ny faritany taorian' ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin' ny Avrily 2007 izay nametraka ny faritra nefa naverina ny maha vondrom-paritra itsinjaram-pahefana azy tamin' ny Lalàmpanorenan' ny taona 2010 na dia tsy misy fampiharana aza izany. Misy faritra enina ny ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa, dia ireto avy:
- Faritra Atsimo-Atsinanana
- Faritra Amoron' i Mania
- Faritra Ihorombe
- Faritra Matsiatra Ambony
- Faritra Vatovavy
- Faritra Fitovinany
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3f/Fianarantsoa_div.png/320px-Fianarantsoa_div.png)
Misy distrika miisa dimy amby roapolo ny ao amin' ny Faritanin' i Fianarantsoa.