From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny eseky dia lalao ilalaovan'olon-droa. Izy io dia lalaovina ambony baoritra miefamira ahitana efamira roa loko miisa 64. Enina ambin'ny folo no isan'ny piesy azon'ny mpilalao roa lalaovina eny am-piandohan'ny lalao. Ny tanjon'ny mpilalao dia manao esekimaty ny mpiara-milalao.
Mandritry ny lalao dia mifandimby manisaka piesy eo amin'ny baoritra ireo mpilalao roa ireo. Ny mpilalao atao hoe «fotsy» izay manana piesy manana loko mazava no manomboka ny lalao. Ny mpilalao mifanohitra azy dia ny mpillao «mainty» izay afaka manisaka ny piesy manana loko maizimaizina.
Lalao malaza erak'izao tontolo izao ny eseky ary matetika lalaovina amin'ny fifaninanana eseky. Fialam-bolim-pirenena ao Rosia io lalao io.
Karazana echec izay ampitaina amin'ny mpifanandrina amin'ny mailaka ny hetsika. Refesina andro ny fe-potoampamaliana ary mety haharitra volana na taona my lalao iray vao vita.
Ny International Correspondence Chess Federation (ICCF) [1] naorina tamin'ny 1951, no tompon'andraikitra amin'ny fikarakarana ny Olympiad sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany.
# | Avy...mankani | Tompondaka | Zom-pirenena | |
---|---|---|---|---|
1 | 1950-1953 | Cecil Purdy | Aostralia | [2] |
2 | 1956-1959 | Viacheslav Ragozin | Rosia | [3] |
3 | 1959-1962 | Alberic O'Kelly | Belzika | [4] |
4 | 1962-1965 | Vladimir Zagorovsky | Rosia | [5] |
5 | 1965-1968 | Hans Berliner | Etazonia | [6] |
6 | 1968-1971 | Horst Rittner | Alemaina | [7] |
7 | 1972-1976 | Jacob Estrin | Rosia | [8] |
8 | 1975-1980 | Jorn Sloth | Danmark | [9] |
9 | 1977-1983 | Tonu Oim | Estonia | [10] |
10 | 1978-1984 | Vytas Palciauskas | Etazonia | [11] |
11 | 1983-1989 | Fritz Baumbach | Alemaina | [12] |
12 | 1984-1991 | Grigory Sanakoev | Rosia | [13] |
13 | 1989-1998 | Mikhail Umansky | Rosia | [14] |
14 | 1994-2000 | Tonu Oim | Estonia | [15] |
15 | 1996-2002 | Gert Timmerman | Pays-Bas | [16] |
16 | 1999-2004 | Tunc Hamarat | Austria | [17] |
17 | 2002-2007 | Ivar Bern | Norvezy | [18] |
18 | 2003-2005 | Joop van Oosterom | Pays-Bas | [19] |
19 | 2004-2007 | Christian Leotard | Frantsa | [20] |
20 | 2004-2011 | Pertti Lehikoinen | Finlandy | [21] |
21 | 2005-2008 | Joop van Oosterom | Pays-Bas | [22] |
22 | 2007-2010 | Aleksandr Dronov | Rosia | [23] |
23 | 2007-2010 | Ulrich Stephan | Alemaina | [24] |
24 | 2009-2011 | Marjan Semri | Slovenia | [25] |
25 | 2009-2013 | Fabio Finocchiaro | Italia | [26] |
26 | 2010-2014 | Ron Langeveld | Pays-Bas | [27] |
27 | 2011-2014 | Aleksandr Dronov | Rosia | [28] |
28 | 2013-2016 | Leonardo Ljubicic | Kroasia | [29] |
29 | 2015-2018 | Aleksandr Dronov | Rosia | [30] |
30 | 2017-2019 | Andrey Kochemasov | Rosia | [31] |
31 | 2019-2022 | Fabian Stanach Christian Muck Ron Langeveld | Poland Austria Pays-Bas | [32] |
32 | 2020-2022 | Jon Edwards | Etazonia | [33] |
Ny Olympiad dia fifaninanana izay ananan'ny firenena tsirairay mpikambana ao amin'ny ICCF zo hanendry ekipa hisolo tena azy, ahitana mpilalao ara-dalàna 6 sy mpisolo toerana roa.
Dingana roa no atao: ny famaranana amin'ny Olympiad iray ny manasa-dalàna amin'ny manaraka, izay iarahana.
# | avy... mankany | Medaly volamena | Medaly volafotsy | Medaly alimo |
---|---|---|---|---|
01. | 1949-1952 | Hongaria | Tsekoslovakia | Soeda |
02. | 1952-1955 | Tsekoslovakia | Soeda | Alemaina |
03. | 1958-1961 | Firaisana Sovietika | Hongaria | Iogoslavia |
04. | 1962-1964 | Firaisana Sovietika | Alemana Demokratika | Soeda |
05. | 1965-1968 | Tsekoslovakia | Firaisana Sovietika | Alemaina Andrefana |
06. | 1968-1972 | Firaisana Sovietika | Tsekoslovakia | Alemana Demokratika |
07. | 1972-1976 | Firaisana Sovietika | Bolgaria | Fanjakana Mitambatra |
08. | 1977-1982 | Firaisana Sovietika | Hongaria | Fanjakana Mitambatra |
09. | 1982-1987 | Fanjakana Mitambatra | Alemaina Andrefana | Firaisana Sovietika |
10. | 1987-1995 | Firaisana Sovietika | Angletera | Alemana Demokratika |
11. | 1992-1999 | Tsekoslovakia Alemaina | Kanada Scotland | |
12. | 1998-2004 | Alemaina | Lithuania | Letonia |
13. | 2004-2009 | Alemaina | Czech Republic | Poland |
14. | 2002-2006 | Alemaina | Lithuania | Etazonia |
15. | 2006-2009 | Norvezy | Alemaina | Pays-Bas |
16. | 2010-2016 | Czech Republic | Alemaina | Frantsa |
17. | 2009-2012 | Alemaina | Espaina | Italia |
18. | 2012-2016 | Alemaina | Slovenia | Espaina |
19. | 2016-2021 | Bolgaria | Alemaina | Czech Republic Poland |
20. | 2016-2019 | Alemaina | Rosia | Espaina |
21. | 2020-2023 | Alemaina | Luxemburg | Etazonia |
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.