From Wikipedia, the free encyclopedia
I Soeda na Fanjakan' i Soeda, dia firenena ao Eorôpa Avaratra ao amin' ny faritr' i Skandinavia. Ny renivohiny dia i Stockholm, ny isan' ny mponina ao aminy dia 9 223 766, atao hoe Soedoà ireo mponina ireo. I Soeda dia mizara sisin-tany amin' i Finlandy any avaratra-atsinanana, amin' i Nôrvezy any avaratra sy any andrefana, ary amin' i Danmarka any atsimo. Ny fiteny tenenina any dia ny fiteny soedoa. Ny fiteny finoà sy ny fiteny samy koa dia tenenina any, indrindra any amin' ny tapany avaratr' ilay firenena. Atao hoe Sverige na Konungariket Sverige i Soeda amin' ny fiteny soedoà..
Sverige ((de)) | |||||
((de)) | |||||
Soeda ((mg)) | |||||
| |||||
Sary:EU location SWE | |||||
Teny ofisialy | |||||
Renivohitra | {{{capitale}}} | ||||
[[{{{lien_villes}}}|]] | Stockholm | ||||
Fitondrana sy governemanta - |
Monarchie constitutionnelle | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 54 449 965 km² 8.67% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2021) - hakitroka |
faha 89 10 548 877 mpo. 232 mpo./km²
| ||||
Anaran'ny mponina | |||||
Sandam-bola | Kroner (SKR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +1 (été +2) | ||||
Hiram-pirenena | {{{hymne_national}}} | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+ |
I Soeda no manana velaran-tany lehibe indrindra rakotra zavamaniry any Eorôpa. Misy ampahany kely amin’ ny tanin’ i Soeda ny eo avaratry ny faribolan-tendrontany avaratra. Maro ny rena sy ny orsa (na bera) ary ny lopa any Soeda. I Soeda dia manana ranomamy be dia be eo amin' ny tany, fa tsy ampy angôvo fosily izy toy ny solitany na ny arintany. Manan-danja amin' ny mpanao pôlitika sy ho an' ny ankabeazan' ny mponina ny olana mikasika ny tontolo iainana.
Ny hakitroky ny mponina any Soeda dia kely raha oharina amin' ny hakitroky ny mponin' ny firenena manodidina azy.
Mandroso ny toekaren’ i Soeda ka anisan’ ny manan-karena indrindra maneran-tany ny mponina ao aminy. I Soedà, hatramin' ny ela, dia mpamokatra vy sy varahina ary hazo. Ny fivoaran' ny indostria sy ny toekarena dia nanomboka tamin' ny taona 1890, nahafahan' i Soeda nivoatra, ary manana toerana tsara ao amin' ny filaharana eorôpeanina momba ny IDH izy.
Tamin’ ny volohany i Soeda dia nonenan’ ny vahoaka jermàna. Tamin’ ny fiafaràn’ ny taonjato faha-14 dia nanambatra an’ i Danemarka sy i Nôrvezy sy i Soeda ny Firaisan' i Kalmar izay noforonina tamin' ny taona 1397. Nanohitra an’ izany i Gustave Vaasa ka lasa mpanjakan’ i Soeda tamin’ ny taona 1523 sady nitondra ny anarana hoe Gustave I. Nampiraisin' i Gustav Vaasa ilay firenena tamin' ny taonjato faha-16. Nihalehibe ny tanin’ ilay firenena taorian’ ny ady nifanesy, indrindra tamin’ ny Ady Telopolo Taona (1618-1648). Tamin' ny taonjato faha-17 dia nahazo tany vaovao i Soeda ka nitsangana ny Empira Soedoà. Fa ny ankabeazan' ny tany azony dia tsy maintsy navotsotra tamin' ny taonjato faha-18. Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-19, i Finlandy sy ny tany hafa no very. Nijanona ho firenena tsy miandany i Soeda tamin’ ireo Ady Lehibe roa, nefa nandray mpitsoa-ponenana maro izy. Nanomboka tamin’ ny taona 1930 dia nametraka rafi-pampandrosoana ny toekarena atao hoe "Môdely Soedoà" ireo mpitondra an’ i Soeda izay sôsialy-demôkraty nanam-pirehana sôsialista. Niorina tamin’ ny fakana hetra ambony, izay takalon’ ny fiarovana ara-tsôsialy nandroso tokoa, izany. Tamin’ ny taona 1995 dia niditra ho mpikambana ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana i Soeda nefa nanapa-kevitra ny tsy hampiasa ny vola Euro.
Araka ny tondro famantarana ny demôkrasia ao amin' ny The Economist. Fanjakà-mpanjaka fehezin-dalàm-panorenana i Soeda ka manjaka ny mpanjaka fa tsy mitantan-draharaha eo amin’ ny firenena.
Misy zavatra hita manamarina fa efa hatry ny Andron' ny Vato i Soeda sy ny faritra manodidina azy no efa nipetrahan' ny olona, tamin' ny tany nanomboka afaka amin' ny ranomandry niangona tao amin' ny Andron' ny Ranomandry. Ny mponina tao voalohany dia niaina tamin' ny fihazana sy ny fiotiana, ary miaina amin' ny harena ao amin' ny Ranomasina Baltika ho avy.
I Soeda sy i Nôrvezy, ao amin' ny Saikanosy Skandinava, dia nahitana soratra sy hosodoko betsaka amin' ny vato (ristningar na hällristningar amin'ny fiteny soedoà), ka ny tena betsaka an' ireny dia ao amin' ny faritr' i Bohuslän.
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.