Epistily ho an' ny Galatiana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Epistily ho an' ny Galatiana na Taratasin' i Masindahy Paoly ho an' ny Galata dia boky hita ao amin' ny Testamenta Vaovao, ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ny atao hoe epistily. Taratasy nalefan' ny Apôstôly Paoly ho an' ny fiangonana kristiana tany Galatia izany. Teo anelanelan' ny taona 50 sy 60 no nanoratana azy. Misy toko enina ity boky ity.
Vao eny am-piandohan' ilay taratasy i Paoly dia manambara ny tenany ho apôstôly marina ary nilaza koa izy fa fampianarana marina ny fampianarany (Gal. 1.1-10). Nisy mantsy ireo izay nilaza fa apôstôly sandoka manao fampianarana tsy izy i Paoly. Ny asa famitana iraka ataon' i Paoly dia avy amin' i Kristy sady nahazo fankatoavana avy amin' ireo Apôstôly ao Jerosalema izy (Gal. 1.18 - 12.10). Nanitsy an' i Petera (na Piera) i Paoly raha nitsahatra tamin' ny fiaraha-misakafo tamin' ny Kristiana jentilisa / jentily izay tsy nanaraka ny Lalàn' i Mosesy na Lalàn' i Môizy (Gal. 2.1-18). Ny finoana irery ihany, hoy i Paoly, no mahavonjy, hatramin' ny andron' i Abrahama izany tamin' ny nahazoany fampanantenana avy amin' Andriamanitra. Mijoro ho vavolombelona i Paoly fa velon' ny finoany an' i Kristy (Gal. 2.19-20).
Ity taratasy ity dia miresaka momba ny iray amin' ny loza mananontanona ny Fiangonana amin' ny fotoana rehetra, dia tsy inona izany fa ny fianteherana amin' ny Lalàna. Mamaritra ny tena fahafahana kristiana io taratasy io, dia ny fahafahan' ny zanak' Andriamanitra.