From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Jentilisa na Jentily dia ny olona tsy Jiosy izay atao amin' ny ny teny hebreo hoe גוים / Goyim (na גוי / Goy raha tokana) na ny olona tsy Kristiana fa mpanompo sampy ao amin' ny literatiora kristiana.
Avy amin' ny teny latina hoe gentilis io teny io, izay midika hoe "olon' ny vahoaka iray" na "olon' ny firenena iray", izay nisampana avy amin' ny teny hoe gens izay midika hoe "foko", "vahoaka", "fianakaviana".
Ny teny nogasina hoe jentilisa na jentily dia nampiasain' ny mpadika teny handikany ny teny hebreo hoe גוי / goy sy ny hoe נכרי / nokhri, izay hita ao amin' ny Baiboly hebreo, sy ny teny grika hoe ἔθνη / éthnē ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ny teny fototra hoe goy sy ny hoe ethnos dia manondro ny "olona", ny "vahoaka" na ny "firenena" sady samy nampiharina hanondroana ny Israelita sy ny tsy Israelita ao amin' ny Baiboly.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.