![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3d/Flag_of_Dominica_%25281988%25E2%2580%25931990%2529.svg/langmg-640px-Flag_of_Dominica_%25281988%25E2%2580%25931990%2529.svg.png&w=640&q=50)
Dôminika
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Dôminika dia firenena nosy ao Amerika Afovoany, anisan' ireo nosy Karaîba. Mirefy 754 km2 ny velaran-taniny ary i Roseau no renivohiny. Nisy mponina miisa as 71 293 tao tamin' ny taona 2011.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/78/Dominica_on_the_globe_%28Americas_centered%29.svg/640px-Dominica_on_the_globe_%28Americas_centered%29.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/3d/Flag_of_Dominica_%281988%E2%80%931990%29.svg/640px-Flag_of_Dominica_%281988%E2%80%931990%29.svg.png)
Nosy be tendrombohitra niforona avy amin' ny afotroa i Dôminika. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetaniny ary ny be dia be ny rotsakorana ka ahafahan' ny ala mikitroka maniry tsara. Andalovan' ny rivodoza matetika io firenena io isan-taona.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e1/Map_of_Dominica.gif/320px-Map_of_Dominica.gif)
Vahoaka mainty hoditra ny ankamaroan' ny mponina ao (90 %) izay taranaka andevo avy aty Afrika nentina tao amin' io nosy io tamin' ny taonjato faha-18. Ny fivavahana katôlika no fivavahan' ny maro anisa ao. Miompana amin' ny fambolena, izay tena mety ao aminy ny toekaren' i Dôminika, ka isan' ny vokatra be ao sady aondrana any ivelany ny akondro, ny voasary ary ny kakaô. Nanomboka niroborobo ny fizahan-tany tamin' ireo taompolo 1990. Tamin' ny taona 1978 no nahazoan' i Dôminika ny fahaleovan-tenany ary mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Atao hoe Wai'tu kubuli (izay midika hoe "Lehibe ny vatany") ny anarany amin' ny fiteny kalinagô.