Ala
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny ala dia toerana be hazo maniry. Misy dikany maromaro ampiasaina ho an' ny ala, mifototra amina fepetra maro. Ny ala dia mandrakotra ny 9,4 %-n' ny tany na 30 % hatramin' ny 50 %-n'ny velarantany manontolo eto an-tany.
Ny ala koa dia toerana iainana sy fidiram-bola ho an' ny olombelona: tamin' ny fanombohan'ny taonjato faha 20, mahery ny 500 tapitrisa ny isan' ny olona miaina akaiky ala na ao anaty ala; 150 tapitrisa amin' ireo no teratany. Misy karazan' ala maromaro misy; ny ala mbola tsy voakitika na mbola tsy voaovan' ny olombelona toetra dia lazaina hoe ala fototra na alananahary, ary ny ala efa nokasihan' ny olona dia lazaina hoe ala segondera. Afa-tsy ireo karazana ireo, misy koa ny ala any an-tanàna sy ny fambolena ala.