Ny Apôkalipsan' i Joany na Apôkalipsin' i Jaona no boky kanônika farany ao amin' ny Baiboly kristiana, ao amin' ny Testamenta Vaovao, izay misy faminaniana momba ny andro farany sy ny fitsarana farany. Atao hoe Apokalypsin' i Jaona na Apôkalipsy, Fanambaràn' i Jesoa Kristy na Fanambaràna koa ity boky ity. Misy toko 22 ity boky ity.

Thumb
I Joany tao amin' ny nosy Patmôsy, sary nataon' i Hans Burgkmair the Elder, taona 1518.

Ny mpanoratra ny Apôkalipsy dia mitonon-tena ho i Joany, ary ny lovantsofina tranain' ny Fiangonana, nanomboka tamin' ny taonjato faha-2, dia nanao an' io Joany io ho i Joany Evanjelista, apôstôly sy mpanoratra ny evanjely fahatelo. Ny manam-pahaizana ankehitriny dia tsy mitovy hevitra satria sarotra ny milaza fa ny nanoratra ny Evanjelin' i Joany sy ny Apôkalipsy dia olona iray ihany, na dia mety nivoaka avy amin' ny fiangonan' ny mpianatr' i Joany Apôstôly tao Efesôsy (na Efeso na Efezy) any Asia Minora (Torkia ankehitriny) ireo boky roa ireo.

Ny vanimpotoana tokony ho tandrify indrindra ny nanoratana ny Apôkalipsy dia ny fiafaran' ny fanapahan' i Dômitiano (taona 91-96 taor. J.K.), izay nisehoan' ny fanenjehana mafy ny Kristiana. Mety ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 96 izany.

Nosoratana ho an' ny "fiangonana fito any Asia" ny Apôklipsy, dia i Efesôsy, i Smirna, i Pergamôsy (na Pergama), i Tiatira, i Sardisy (na Sarda), Filadelfia ary i  Laôdikea (na Laôdisea, Laôdikia). Ny isa fito, izay midika am-panoharana hoe "fahafenoana", dia ahafahana manakatra fa ny Fiangonana tsy an-kanavaka no iantefan' ny Apôkalipsy.

Maro ny fanoharana sy sarin-teny (simbôly) ao amin' io boky io ka maro toy izany koa ny fomba fivoasana sy fanakarana izay zavatra tiany hambara. Avy amin' ny matoanteny grika izay midika hoe "manala sarona" ny teny hoe apôkalipsy.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe Apôkalipsy na Apôkalipsa dia avy amin' ny teny grika hoe Ἀποκάλυψις / Apokalupsis izay midika hoe "fanambaràna", "ala sarona" na "fanalana voaly" araka ny andalana voalohany ao amin' ilay boky manao hoe Ἀποκάλυψις Ἰησού Χριστού / Apokálupsis Iēsou Khristoũ, izay midika hoe: "Fanambaràn' i Jesoa Kristy". Ny hoe Ἀποκάλυψις Ἰωάννου / Apokálupsis Ioánnou no nadika hoe Apôkalpsin' i Joany (na Apôkalipsin' i Jaona). Manoratra hoe Apokalypsy ny Prôtestanta malagasy fa ny Katôlika malagasy kosa manao hoe Apôkalipsa.

Fanoratana ny Apôkalipsin' i Joany

Ny hevitry ny Kristiana tany aloha

Ny mpanoratra

Ny Apôkalipsy na Apôkalipsa no hany boky ao amin' ny Testamenta Vaovao izay manonona ny mpanoratra azy ho i Joany na Jaona[1]. Tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-2 dia nanondro an' i Joany zanak' i Zebedeo na Jaona zanak' i Zebedio (izay anisan' ny mpianatr' i Jesoa na Jesosy) ho naoratra ny Apôkalipsy i Jostinôsy avy any Napôlisy (na Jostinôsy Martiry) sady nilaza fa io mpianatra io, rehefa afaka tamin' ny fonja tany Patmôsy, dia niverina tany Efesôsy izay nonenany mandra-pahatongan' ny fanapahan' ilay emperora rômana atao hoe Traiano tamin' ny taona 98 taor. J.K. Taty aoriana dia nilaza i Ireneo avy any Logdanoma fa io apôstôly io ihany koa no nanoratra ny epistily telo amin' ny anaran' i Joany[2]. I Papiasy avy any Hierapôlisy dia nanao an' i Joany Antidahy na Jaona Loholona izay angamba mpianatr' i Joany Apôstôly, izay lasa mpiadraikitra ny fiangonana tany Efesôsy tamin' ny faramparan' ny taonjato voalohany. Tamin' ny taonjato faha-3 anefa dia nanao fanadihadiana ny lahatsoratra i Denisiôsy avy any Aleksandria ka nanatsoa-kevitra fa ny Apôkalipsy dia tsy nosoratan' ilay mpanoratra ny Evanjelin' i Joany (na Filazantsaran' i Jaona) sady tsy nosoratan' ilay Joany izay lazainy fa nanoratra ny epistily telo amin' ny anaran' i Joany; nanaraka ny hevitr' i Papiasy izy ka nilaza fa i Joany Antidahy ny nanoratra ny Apôkalipsy[3]. Tamin' ny taonjato faha-4 dia nilaza koa i Eosebiôsy avy any Kaisarea, izay nanaraka ny hevitr' i Pôlikarpôsy avy any Smirna sy i Denisiôsy avy any Aleksandria, fa i Joany Antidahy no nanoratra ny Apôkalipsy[4].

Ny hevitry ny mpikaroka ankehitriny

Ny mpanoratra ny Apôkalipsy

Tsy fantatra ny nanoratra ny Apôkalipsy. Inefatra ilay mpahita no manonona ny anarany ho i Joany, izay anarana be mpitondra ao amin' ny Testamenta Vaovao. Ity Joany resahiny ity dia milaza ny tenany fa natao sesitany an-tery tany amin' ny nosy Patmôsy (na Patmô) noho ny amin' ny tenin' Andriamanitra sy ny fanambaràn' i Jesoa (Apô. 1.9)[5], noho ny fiheverana azy ho mpampiely hevitra tsy marina angamba[6].

Araka izany dia ny famakafakana aman-tsikera lahatsoratra ankehitriny dia manohitra ny lovatsofina[7] satria tsy misy zavatra ahafahana manondro mazava an' ilay Joany tao Patmôsy ho i Joany Apôstôly[8], ny mpanoratra rahateo tsy milaza ny tenany ho izany fa milaza ny tenany fotsiny ho "mpanompo"[8], sady milaza fa ny vondron' ny Apôstôly dia zavatra efa nivalona any amin' ny lasa (Apô 18.20; Apô 21. 4)[9] [10]. Tsy nampiasainy koa ny anaram-boninahitra hoe "Antidahy" na "Loholona" (grika: πρεσβύτερος / presbutéros) (tsy araka ny lazain' i Papiasy)[1].

Mety olona nanana ny maha izy azy teo amin' ny fiangonana jodeô-kristiana tany Azia Minora tao amin' ireo Fiangonana fito (Efesôsy, Smirna, Pergamôsy, Tiatira, Sardisy, Filadelfia ary Laôdikea.) izay iresahany izy ka ny lahatsoratra dia mitarika amin' ny fiheverana fa mpaminany mpandehandeha izy[1], angamba navahan' ny fahefam-piangonana manokana tamin' ireo mpaminany maro hafa[11].

Araka ny famakafakana sy ny fanadihadiana lahatsoratra izay mahita fa ny fiteny grika nampiasain' ny mpanoratra dia vitsy voambolana kokoa noho izay nampiasaina tamin' ny fanoratana ny boky rehetra ao amin' ny Testamenta Vaovao, dia azo lazaina fa mety ny fiteny arameana na ny fiteny hebreo no fitenin' ilay nanoratra ny Apôkalipsy. Izany dia manamarina ny petra-kevitry ny mpikaroka milaza fa mpaminany apôkaliptika jodeô-kristiana nandositra an' i Palestina noho ny fikomiana jiosy tamin' ny taompolo 60 sy nialokaloka tany Azia Minora (angamba tany Efesôsy) i Joany talohan' ny nanaovana sesitany azy ao amin' ny nosy Patmôsy, fa tsy noho ny "fanenjehana nataon' i Dômitiano", araka ny lovantsofina kristiana namboarin' ny mpiaro ny finoana (apôlôjeta kristiana) tamin' ny taonjato faha-2, izay mifototra amin' ny fampielezan-kevitra nataon' ireo Senatera rômana hanaratsiana ny fahatsiarovana an' i Dômitiano[12]; mampiahiahy ny ankamaroan' ny mpahay tantara rahateo koa ny fisian' izany fanenjehana ny Kristiana manokana tany Azia Minora izany[13] [12].

Ny fifandraisan' ilay mpanoratra ny Apôkalipsy amin' ny lovantsofina sy ny sekoly jôhanika dia mbola iadian-kevitra amin' izao taonjato fagha-21 izao, satria maro ny zavatra iraisan' ireo asasoratra ireo sy ny tsy fitoviany na amin' ny endri-panoratana izany na amin' ny teôlôjiany[14]. Ny ankamaroan' ny mpikaroka dia mirona amin' ny fampiombonana an' i Joany avy any Patmôsy amin' ny firehana jôhanika, na dia mety nisy ihany aza ny fifandraisana[15].

Ny fotoana nanoratana

Miombon-kevitra ny ankamaroan' ny mpanadihady lahatsoratra ankehitriny ny amin' ny fotoana nanoratana ny Apôkalipsy tamin' ny faramparan' ny fotoana nanapahan' i Dômitiano[16], teo anelanelan' ny taona 60[17] sy 96[18]. Nampandroso ny fanompoam-pivavahana atao amin' ny emperora, indrindra tao Azia Minora i Dômitiano, araka ny filazan' ny Apôkalipsy (Apô 2:13 sy Apô 13)[19]. Izany fanompoam-pivavahana izany dia nanafintohina ny Kristiana, izay nahiahin' ny emperora ho vondrona mitarika ny vahoakany ho amin' ny fanompoana andriamanitra tsy aseho an-tsary sy tsy hita vatana[20]. Efa nisy hatry ny ela izany fanazavana izany teo amin' ny famakafakana ny Apôkalipsy, nefa mifandray amin' ny "fanenjehana nataon' i Dômitiano" izay mampiahiahy ny mpahay tantara ny fahamarinany[21].

Misy koa ny daty maro hafa alohaloha kokoa natolotry ny mpikaroka tantara sasany. Ny voalohany dia manao ny fotoana nandraiketana an-tsoratra ny Apôkalipsy tokony ho tamin' ny taona 80 araka an' i Israël Knhol sy i B. J. Capper. Ny iray hafa koa dia manombana izany daty izany ho tamin' ny fotoana naha emperora an' i Nerô (na Nerôna) izay maty tamin' ny taona 68; mifamatotra amin' ny lovantsofina momba ny fanenjehana nataon' i Nerô ny Kristiana resahina ao amin' ny fahitana apôkaliptika ity daty ity. Raha miseho anefa i Nerô, izay nalaza tamin' ny fanenjehana ka nataon' ny Kristiana ho ny Antikristy, ka mety niteraka ny fampitahana azy tamin' i Dômitiano, dia tsy nihoatra ny tanin' i Rôma ny fanenjehany ny Kristiana. Mifanohitra amin' izany ny fanakotabasana sy ny fampijaliana nataon' i Dômitiano ny Kristiana - izay mety nisy nanda ny hanao ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso - izay mety nivelatra kokoa, indrindra tany Azia Minora sy tany Plestina[22]. Mety nanitatra ny fitantarana ny herisetra natao amin' ny Kristiana ny lovantsofina taty aoriana, vokatry ny fanenjehana mafy kokoa, sady nanao an' ireo emperora roalahy ireo ho samy meloka[23].

Famintinana ny vontoatin' ny Apôkalipsy

Mitondra fanazavana roa momba ny zava-nisy manodidina ny fanoratana azy ny Apôkalipsy: efa niaina ao anaty fanenjehana ny Fiangonana ary sasa-miandry ny fiverenan' i Kristy ny Kristiana ka niteraka fangatsiahana sy fahakivian' ny sasany izany.

Araka ny lazain' ny mpanoratra ny Apôkalipsa dia miseho teo anelanelan' ny zava-mitranga roa ny tantara: ny fitsanganan' i Kristy sy ny fandreseny ny Ratsy amin' ny farany. Amin' ny mpanoratra dia izany vanimpotoana izany no itrangan' ny adin' ny Fiangonana sy Kristy amin' ny Ratsy. Ambarany ny fisarahan' ny tontolo ankehitriny (izay anjakan' ny fahotana sy ny Ratsy) sy ny tontolo hoavy (izay hahita ny famerenana indray ny fanjakan' Andriamanitra). Ratsy ny ankehitriny izay anjakan' i Satana sady tokony ho levona, nefa manantena zava-tsoa izy momba ny hoavy, izay hisehoan' ny fandresen' Andriamanitra amin' ny farany. Tamin' ny nitsanganan' i Jesoa Kristy tamin' ny maty no efa nanomboka izany fandresena izany sady tsy nampiahiahy ny mpanoratra ny Apôkalipsy ny fahamarinany. Mamporisika sy mankahery ny Kristiana iharan' ny fanenjehana ity boky ity. Fambara ny amin' ny ady mangotraka eo amin' i Kristy sy i Satana izany. Noho izany dia mifandray amin' ny fahatanterahany ny tantara ankehitriny ary aharihary ny heviny.

Fizaràn' ny boky

Azo zaraina dimy ny Bokin' ny Apôkalipsy:

  • Hafatra mialoha ho an' ny Fiangonana (1:1 – 3:22)
  • Ny Zanak' ondry sy ny fanarahana azy (4:1 – 7:17)
  • Fitsofan' ny anjely ny trompetra fito (8:1 – 11:19)
  • Ny fitsapana hahazo ny Fiangonana (12:1 – 16:21)
  • I Babilôna sy i Jerosalema vaovao (17:1 – 22:21)

Toy izao ny antsipirian' ireo fizaràna tsirairay ireo:

Hafatra mialoha ho an' ny Fiangonana (1:1 – 3:22)

Thumb

Fanehoana ankapobeny ny Fanambaràna (1:1-3)

  1. Teny mialoha (1:1-5)
  2. An' i Jesoa ny Fanambaràna, Alfa sy Ômega (1:6-8)

Fahitana ny amin' ny Zanak' olona (1:9-20)

  1. Ny zavatra nanjo an' i Joany tamin' ny fiandohan' ny fahitana (1:9-11)
  2. Fitoeran-jiro fito sy ilay toy ny Zanak' olona (1:12-13)
  3. Ilay manana loha sy volo fotsy (1:14-15)
  4. Ilay mitana ny kintana fito (1:16-20)

Taratasy ho an' ny anjelin' ny fiangonana fito (2:1 – 3:13)

Thumb
Ireo tanàna misy ny fiangonana fito ao Asia Minora (na Anatôlia)

Izany dia taratasy nampanoratina ho an' ireo fiangonana fito any Azia:

  1. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Efesôsy (2:1-7)
  2. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Smirna (2:8-11)
  3. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Pergamôsy (2:12-17)
  4. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Tiatira (2:18-29)
  5. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Sardisy (3:1-6)
  6. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Filadelfia (3:7-13)
  7. Taratasy alefa amin' ny anjelin' ny fiangonana any Laôdikea (3.14-22)

Ny Zanak' ondry sy ny fanarahana azy (4:1 – 7:17)

Eo am-pelan-tanan' ny Zanak' ondry ny hoavin' izao rehetra izao (4:1 – 5:14)

  1. Ny ao amin' ny Lapan' Andriamanitra, ahitana koa ireo zava-manana aina efatra (4:1-11)
  2. I Kristy mpamonjy (5:1-12)
Thumb
Ny mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin' ny Apôkalipsy, sary nataon' i Viktor Vasnetsov, taona 1887.

Vahan’ ny Zanak' ondry ny tombokase fito amin' ilay boky (6:1-17)

Ireto ny zavatra voalaza ao amin' ilay boky misy tombokase fito:

  1. Tombokase voalohany: soavaly fotsy: i Kristy (6:1-2)
  2. Tombokase faharoa: soavaly mena: ny mpanenjika ny Kristiana (6:3-4)
  3. Tombokase fahatelo: soavaly mainty: mosary (6:5-6)
  4. Tombokase fahefatra: soavaly hatsatra: fahatesana (6:7-8)
  5. Tombokase fahadimy: ireo olona miakanjo fotsy: ny maritiry (6:9-11)
  6. Tombokase fahenina: ny fahatezeran' Andriamanitra: hesorina ny rivotra rehetra (6:12-17)
  7. Tsy haninona ireo mpanompon' Andriamanitra; ireo olona misa 144 000 (7:1-17)
  8. Tombokase fahafito sy ny vavaky ny olo-marina (8:1-5)
Thumb
Ny Trompetra fito sy ilay anjely nitondra fandorana emboka manitra, sary tamin' ny taona 1000.

Fitsofan' ny anjely ny trompetra fito (8:1 – 11:19)

Fitsofana ireo trompetra enina voalohany: loza (8:1 – 9:21)

  1. Ny trompetra voalohany: havandra sy afo ary ra (8:6-7)
  2. Ny trompetra faharoa: toy ny tendrombohitra mirehitra afo (8:8-9)
  3. Ny trompetra fahatelo: latsaka tamin' ny tany ny kintana (8:10-11)
  4. Ny trompetra fahefatra: maizina ny 1/3n' ny masoandro sy ny volana ary ny kintana (8:12-13)
  5. Ny trompetra fahadimy: potraka ilay Kintana: i Satana (9:1-12)
  6. Ny trompetra fahenina: novahana ny anjelin' i Satana any Eofrata (9:13-21)

Hafatr' i Kristy sy ny fijoroan' ny Fiangonana ho vavolombelona (10:1 – 11:14)

  1. Ilay boky kely sady mamy no mangidy (10:1-11)
  2. Ny tempoly sy ireo vavolombelona (11:1-14)

Fitsofana ny trompetra fahafito: azon' i Kristy ny fanjakana (11:15-19)

  • Efa azon' i Kristy ny Fanjakana (11:15-16)
  • Tsy misy loza fa fiderana no re (11:17-19)

Ny fitsapana hahazo ny Fiangonana (12:1 – 16:21)

Ireo mpiara-dia amin' ny Dragona sy ny Bibidia (12:1- 13:18)

  1. Ilay vehivavy nitafy masoandro sy ny Dragona (12:1-17)
  2. Namindra fahefana tamin' ny Bibidia (13:1-10)
  3. Ilay mpaminany sandoka sy ny fanisan' ny bibidia (13:11-18)
Thumb
Ilay Andro lehiben' ny fahatezeran' Andriamanitra, sary nataon' i John Martin, 1852.

Handresy ny mpanara-dia ny Zanak' ondry (14:1 – 15:4)

  1. Ny mpanara-dia ny Zanak' ondry (14:1-5)
  2. Fanambaran' ny anjely mialoha ny andron' ny fitsarana (14:6-13)
  3. Fijinjana sy fiotazana ny firenena (14:14-20)
  4. Hiran' i Mosesy (na Môizy) sy ny Zanak' ondry (15:1-8)

Ny loza naidina avy amin' ny lovia fito (16:2-21)

  1. Lovia voalohany: vay ratsy (16:2)
  2. Lovia faharoa: loza tao an-dranomasina (16:3)
  3. Lovia fahatelo: ony sy rano lasa ra (16:4-7)
  4. Lovia fahefatra: masoandro mandoro (16:8-9)
  5. Lovia fahadimy: aizim-pito (16:10-11)
  6. Lovia fahenina: ritra ny ony Eofrata (16:12-16)
  7. Lovia fahafito: loza tamin' ny rivotra (16:17-21)

I Babilôna sy i Jerosalema vaovao (17:1 – 22:21)

Famaizana an’ i Babilôna (17:1 – 19:10)

  1. I Babilôna vehivavy janga sy ny bibidia (17:1-18 )
  2. Hianjera i Babilôna (18:1-8)
  3. Tokony hiala an' i Babilôna ny vahoakan’ Andriamanitra (18:4-8)
  4. Fitomaniana an' i Babilôna (18:9-24)
  5. Hiram-pandresena any an-danitra (19:1-19)

Fandringanana ireo firenena tsy mino (19:1-20:15)

  1. Ady eskatôlôjika voalohany: fandresen' ny Teny (19:1-10)
  2. Fanjakana 1000 taona (20:1-6)
  3. Ady eskatôlôjika faharoa (20:7-10)
  4. Ny fitsarana ny firenena rehetra sy ny bokin' ny fiainana (20:11-15)

Fanavaozana ny zavatra rehetra (21:1 - 22:5)

  1. Lanitra sy tany ary Jerosalema vaovao (21:1-27)
  2. Ny ranon' aina sy ny hazon' aina ary fanatrehana ny tavan' Andriamanitra (22:1-5)

Teny famaranana fanomezan-toky (22:6 - 21)

  1. Sambatra izay mitandrina ny teny (22:6-7)
  2. Aza miankohoka afa-tsy amin' Andriamanitra (22:8-11)
  3. Indro avy faingana Aho (22:12-17)
  4. Fitandremana ny teny faminaniana (22:18-21)

Fivoasana ny bokin' ny Apôkalipsa

Azo ampidirina amin' ireto sokajy ireto ny ankamaroan' ny fomba fivoasan' ny Kristiana ny Apôkalipsy:

  • ny histôrisisma, izay mahita ao amin' io boky io fomba fijery malalaka momba ny Tantara;
  • ny preterisma, izay mampahatsiahy ny vanim-potoana apôstôlika (taonjato voalohany) na fara-fahatarany ny faharavan' ny Empira Rômana;
  • ny amilenarisma, izay mitsipaka ny fivoasana ara-bakiteny ny "arivo taona" (na milenioma) sady mihevitra ny vontoatin' io boky io ho maneho sary (simbôly);
  • ny pôstmilenarisma, izay mitsipaka koa ny fivoasana ara-bakiteny momba ny "arivo taona" sady mahita ny fihatsarana miandalan' izao tontolo izao, ka amin' izany dia miova ho kristiana amin' ny farany;
  • ny fotorisma, izay mihevitra fa mitantara zavatra hitranga amin' ny hoavy ny Apôkalipsy (matetika antsoina hoe "milenarista" ny ny mpino an' izany fivoasana izany ankehitriny);
  • ny idealisma na alegôrisma, izay manohana ny fiheverana fa tsy miresaka momba olona na zava-mitranga tena misy tokoa ny Apôkalipsy, fa teny am-panoharana momba ny lalana ara-panahy sy momba ny ady eo amin' ny Tsara sy ny Ratsy.

Fandraisana ny Apôkalipsy ho isan' ny boky kanônika

Ny Apôkalipsy no boky kanônika farany ao amin' ny Testamenta Vaovao. Somary sarotra ny fandraisana azy ho ao amin' ny kanôna, indrindra rehefa nipetraka ny fanontaniana hahafantarana raha ny i Joany Apôstôly no nanoratra azy na tsia, indrindra tany Atsinanana, noho ny fahasiahany amin' ny Empira Rômana.

Amin' ny ankapobeny, tamin' ny Andro Taloha dia noraisin' ny fiangonana tany Andrefana tsara ny Apôkalipsy na dia niahiahy azy ho mampandroso ny milenarisma ny pretra rômana Kaio (Caius) ka mbola nitsipaka azy tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-3. Ny sombin-dahatsoratr' i Muratori, izay tahirin-kevitra tandrefana ary angamba rômana voasoratra teo anelanelan' ny taonjato faha-2 sy faha-3 dia nanazava toy izao: "Amin' ireo apôkalipsy ireo dia ny an' i Joany sy ny an' i Petera, izay tsy tian' ny sasany aminay hovakina am-piangonana, no raisinay".

Tany Azia Minora, tokony tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-2, dia nolavina ny Apôkalipsy sy ny Evanjelin' i Joany mba hanoherana ny filazan' ny Môntanista momba ny firotsahana vaovaon' ny Fanahy Masina, izay manandratra ny faminaniana sy ny fiandrasana milenarista. Tamin' ny tenatenan' ny taonjato faha-3, i Diônisiôsy avy any Aleksandria, izay nanoratra ny Ny amin' ny Fampanantenana izay anaovan' i Eosebiôsy tonon-tsiahy, dia manohitra ny maha tena i Joany ny mpanoratra noho ny endri-panoratana, nefa tsy nanda ilay lahatsoratra izay tsapany ho tsy mazava nefa nankasitrahan' ny "rahalahy maro". Matetika ny fiangonana any Atsinanana no nanda an' ilay lahatsoratra, indrindra noho ny fampiasana azy hanohanana ny fomba fijery malalaka loatra ny milenarisma. Tamin' ny taonjato faha-4 dia nanohy indray ny tsy fitovian-kevitra izay nampizara ny fiangonana tantsinanana momba azy i Eosebiôsy avy any Aleksandria. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-4 anefa dia nampiditra azy ao anatin' ny lisitry ny boky nekena i Atanasiôsy avy any Aleksandria.

Na dia izany azy, noho ny tsy fisian' ny fanapahan-kavitry ny kônsily momba ny fetra mazavan' ny kanônan' ny Fiangonana grika, dia matetika no lavin' ny olona ny Apôkalipsy, ary tany Siria sy tao amin' ny fiangonana maro miteny siriaka dia namaritra kanôna misy boky 22 izay tsy nahitana ny Apôkalipsy ny Peshitta (Baiboly tranainy amin' ny teny siriaka). Ny Kônsily in Trullo tamin' ny taona 692, izay nifototra amin' ny tahirin-kevitra tranainy maro tsy mifanara-kevitra momba ny kanôna, dia tsy afaka nanapa-kevitra momba izany lohahevitra izany tao amin' ny Fiangonana grika. Nolavina tao amin' ny fiangonan' ny Empira tany Kônstantinôpla hatramin' izay ka hatramin' ny taonjato faha-4 ny Apôkalipsy izay nanohitra mafy ny Empira Rômana, fa tsy nanaiky an' io boky io ny fiangonana tany Armenia raha tsy tamin' ny taonjato faha-5.

Tao amin' ny Fiangonana latina kosa dia nisy ny fanapahan-kevitry ny kônsily, indrindra nandritra ny sinaodam-paritra tany Kartazy tamin' ny taona 397 sy 419, izay nandraikitra ho 27 ny isan' ny boky nekena, ka anisan' izany ny Apôkalipsy.

Tamin' ny andron' ny Refôrmasiôna prôtestanta dia tsy nanome afa-tsy anjara toerana ambinambiny ny Apôkalipsy i Martin Lotera, fa tsy nihevitra an' ilay boky ho anisan' ny Soratra Masina kosa i Ulrich Zwingli, ary tsy nanao fivoasana momba azy i Jean Calvin.

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.