From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Aotrisy na Repoblikan' i Aotrisy, dia firenena any Eorôpa Afovoany, tsy manana morontsiraka, voafaritr' i Soisa sy i Liktenstaina any andrefana, i Italia sy i Slôvenia any atsimo, i Hôngria sy i Slôvakia any atsinanana ary i Alemaina sy ny Repoblika Tseky any avaratra. Firenenana mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeanina mampiasa ny sandam-bola Euro i Aotrisy. I Vienna no renivohiny ary ny fiteny ôfisialiny dia fiteny alemana.
Republik Österreich ((de)) | |||||
((de)) | |||||
Repoblikan' i Aotrisy ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Tsy misy | |||||
Teny ofisialy | fiteny alemana (tenim-pirenena) ; fiteny magyar sy fiteny slovena (tenim-paritra) | ||||
Renivohitra | Vienne 48°12′N 16°21′E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Vienne | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha - Chancelier |
Repoblika federaly Alexander Van der Bellen Karl Nehammer | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 112 83 879 km² 0,84 % | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2021) - hakitroka |
faha 88 8 932 664 mpo. 106 mpo./km²
| ||||
Anaran'ny mponina | Aotrisianina | ||||
IDH (2019) | Mihakatra 0,922 (ambony) faha 15 | ||||
Sandam-bola | Euro (EUR ) | ||||
Faritr'ora | UTC +1 | ||||
Hiram-pirenena | Land der Berge, Land am Strome | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+43 |
Firenena tsy manana moron-tsiraka i Aotrisy. Be tendrombohitra ny vohon-taniny: ny tangoron-tendrombohitra Alpa otrisiana izay mandrakotra ny 80 %n' ny taniny.
Miompana amin' ny taozava-baventy sy ny fizahàn-tany ny toekaren' i Aotrisy.
Manana tantara lava i Aotrisy. Ny faritra maro any Aotrisy ankehitriny dia tafiditra tao amin' ny Empira Rômana. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-13 i Aotrisy dia teo ambany fifehezan' ny Empira Masina Rômana Jermanika. Lasa empira matanjaka i Aotrisy taty aoriana izay nahatratra ny fara tampon' ny tanjany tamin' ny taona 1848 hatramin' ny 1916. Nanomboka tamin' ny taona 1867 izy dia lasa nantsoina hoe Empira Aostrô-Hôngariana. Tamin' ny 26 Jona 1914 dia nisy namono i François-Ferdinand zana-drahalahin' ny emperora izay tokony handova ny fitondrana, ka izany no nampipoaka ny Ady Lehibe Voalohany. Rava ny Empira Aostrô-Hôngariana tamin' ny fiafaran' izany ady izany ka teraka ny Repoblika Aotrisiana, izay naharitra teo anelanelan' ny taona 1918 sy 1938. Nakamban' i Hitler tamin' i Alemaina i Aotrisy taty aoriana. Taorian' ny Ady Lehibe Faharoa anefa dia ny tafiky ny firenena niady amin' ny nazisma no nibodo ny tanin' i Aotrisy. Lasa fanjakana nanana ny fiandrianany indray i Aotrisy tamin' ny taona 1955, tafatsangana indray ny Repoblika Aotrisiana ary niala amin' izay ny firenena rehetra nibodo azy. Niditra ho mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana i Aotrisy tamin’ ny taona 1995.
Firenena ao Eorôpa
Albania - Alemaina - Andôra - Aotrisy - Belzika - Bielôrosia - Bolgaria - Bôsnia-Herzegôvina - Danemarka - Espaina - Estônia - Fanjakana Mitambatra - Finlandy - Frantsa - Grisia (na Gresy) - Hôngria (na Hongaria) - Irlanda - Islandy - Italia - Jeôrjia - Kipra (na Sipra) - Kôsôvô - Krôasia (na - Krôatia) - Letônia - Liktenstaina - Litoania - Loksemborga - Masedônia Avaratra (na Makedônia Avaratra)- Malta - Môldavia - Môntenegrô - Nederlandy - Nôrvezy - Okraina - Pôlônia - Pôrtogaly - Tsekia - Romania - Rosia - San-Marîno - Serbia - Slôvakia - Slôvenia - Soeda - Soisa - Tsekia - Vatikàna.
Kôntinenta eto an-tany
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.