Ny Zanak' i Israely na Zanak' Isiraely dia ny Hebreo taranak' i Jakôba nonina tany Egipta avy eo nifindra tany Kanaana. Israely no iantsoana an’ i Jakôba taorian’ ny nitolomany tamin’ ny anjely iray.
Ny teny hoe “zanak' i Israely” (hebreo: בני ישראל / B'neï Yisraēl) dia iray amin' ny anarana ao amin' ny Torah izay iantsoana matetika indrindra ny Israelita, izany hoe ny taranak' i Jakôba patriarka, izay nomena anarana hoe Israely (izay midika hoe "Niady teo anilany Andriamanitra", araka ny Baiboly). Antsoina hoe Hebreo koa izy ireo. Ao amin' ny Testamenta Taloha indrindraindrindra no ahitana io andian-teny hoe Zanak' i Israely io. Ao amin' ny Testamenta Vaovao dia mety hanondro ny Kristiana io andian-teny io. Tsy voatery hitovy ny dikan' ny hoe Zanak' i Israely, Israelita, Hebreo ary Jiosy (na Jody) arakaraka ny lahatsoratra ahitana azy ireo.
Tsy tokony afangaro ny andian-teny hoe "Zanak' i Israely" sy ny hoe "Israeliana"”: ny hoe Isiraely ao amin' ny andian-teny faharoa dia manondro fanjakana môderna, niorina tamin' ny taona 1948, izay Isiraeliana ny olom-pireneny fa tsy Isiraelita. Na dia naorin' ny Jiosy ho fanjakana jiosy aza i Israely dia tsy Jiosy daholo ny olom-pireneny — Mozilmana ny sasany, ny hafa Kristiana, Bodista na Ateista, eny fa na dia Agnôstika sy Teista aza — ary mandrafitra ny 25 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena. Fanampin' izany, na dia Jiosy maro aza no mahatsapa fa tena mifandray akaiky amin' ity firenena ity amin' ny maha Tany Masina azy, dia tsy olom-pirenen' io firenena io izy ireo.
Araka ny lovantsofina jiosy
Ny razambe roa ambin' ny folon' ny fokon' i Israely
Tany am-boalohany, ny Zanak' i Israely dia ny zanaka roa ambin' ny folon' i Jakôba - nantsoina hoe Israely i Jakôba taorian' ny niady tamin' ny "anjely sy ny olona" - io patriarka io izay hiavian' ny foko roa ambin' ny folo: Robena, Simeôna, Levy, Jodà, Dana, Naftaly, Gada, Asera, Isakara, Zebolôna, Jôsefa ary Benjamina. Indraindray ny Torah dia miantso azy ireo hoe "zanak' i Jakôba", indraindray "zanak' i Isiraely". Rehefa tonga tany amin' ny tany Gôsena (ao amin' ny tapany avaratr' i Ejipta) notendren' i Faraon' i Ejipta azy ireo, dia i Jôsefa no praiminisitra, ka nihamaro be ny taranany. Antsoina hoe "Zanak' i Israely" koa izy ireo.
Araka ny voalazan’ ny midrash (famakafakana ny Torah), dia i Jakôba no lehibe indrindra tamin’ ny patriarka telo (Abrahama, Isaaka, Jakôba), satria izy irery ihany no afaka namorona fianakaviana izay nananan' ny mpikambana rehetra toetra tsara. I Abrahama no taloha indrindra amin' ireo patriarka telo ireo, i Abrahama no rain' ny zaza roa lahy: i Isaaka (יצחק / Yiṣḥāq amin' ny teny hebreo, izay midika hoe "hihomehy izy", araka ny Baiboly) sy Ismaela (ישׁמעאל / Išma`e’l amin' ny teny hebreo,izay midika hoe "nandre Andriamanitra", araka ny Baiboly). I Isaaka dia niteraka an' i Jakôba sy an' i Esao, izay lasa mpihaza nandritra ny androm-piainany. Namidin' i Esao tamin' i Jakôba zandriny koa ny fizokiany ho takalon' ny voanemba mena ("edom") iray lovia, dia i Jakôba izay lasa patriarika ho an' ny firenena jiosy.
Nanomboka tamin' ny fialàn' ny Zanak' i Israely avy tao Ejipta
Ao amin' ny Bokin' ny Eksôdôsy, ny Israelita (ny Jiosy) dia antsoina foana hoe "Zanak' i Israely”, indrindra rehefa miresaka amin' i Mosesy Andriamanitra.
Taorian' ny naharava ny fanjakà-mpanjaka mitambatra dia nanjary nantsoina hoe Fanjakan' i Jodà ny fanjakana tany atsimo, fa ny fanjakana tany avaratra (izay nahitana ny faritanin' ny foko folo tamin' ny foko roa ambin' ny folo) kosa dia nitahiry ny anarana hoe Fanjakan' i Israely; ny Israelita no mponina tao aminy. Mbola nanondro ny foko jiosy roa ambin' ny folo sy ny taranany koa anefa ny tany hoe "Israely".
Amin' ny heviny miitatra, ny teny hoe "Zanak' i Israely" dia manondro ny Jiosy amin' ny fitambarany.
Jereo koa
Wikiwand in your browser!
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.