From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny vanja dia vovo-javatra simika tranainy mora mirehitra sy mipoaka ka ampiasaina amin' ny fanaovam-bala fitifirana amin' ny basy na tafondro na zavatra hafa.
Noforonina tany Sina tamin' ny taonjato faha-9 angamba ny vanja, avy eo niparitaka tsikelikely tany Eorôpa sy Azia hatramin' ny taonjato faha-13. Nampiasaina tamin' ny tafondro sy basy izy, io no hany vovoka simika mora mipoaka fantatra hatramin' ny taonjato faha-19. Ny vanja dia tsy ampiasaina intsony amin' izao fotoana izao amin' ny fitaovam-piadiana môderina sy amin' ny fampiharana indostrialy, noho ny fahombiazany ambany raha oharina amin' ny zava-mora mipoaka hita vao haingana. Ny fampiasana azy amin' izao fotoana izao dia voafetra amin' ny fitaovam-piadiana tranainy sy fitaovam-piadiana fitifirana amin' ny fanatanjahantena, amin' ny tsipoapoaka sy ny afomanga.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.