Mpitondra firenena Malagasy From Wikipedia, the free encyclopedia
Ratsimandrava Richard dia miaramila sy mpitondra fanjakana malagasy, teraka tamin' ny 21 Marsa 1931 tao Mangarivotra, Antananarivo ary maty tamin' ny 11 Febroary 1975 tao Antananarivo. Nanampakatra an-dRazafindramoizina Thérèse izy ny 22 Septambra 1956 ary niteraka enina izy ireo. Nitondra an' i Madagasikara nandritra ny enina andro izy, nanomboka tamin' ny 5 ka hatramin' ny 11 Febroary 1975 nahafatesany taorian' ny namonoan' ny "fahavalom-pirenena" azy.
Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.
1938: Sekoly Ambavahadimangatsiaka Antsirabe
1940: 9éme hatramin' ny Terminales teny amin' ny Lycée Galliéni tao Andohalo Antananarivo
1952-1954: nanohy fianarana tao amin' ny Lycée Carnot tao Dijon
1954-1956: voaray soa amantsara tao amin' ny École Spéciale Militaire Interarmes de Saint-Cyr
20 Aogositra 1957: Commémoration AFN
14 Jiona 1966: Chevalier de l'Ordre national
14 Oktobra 1971: Officier de l'Ordre national
31 Desambra 1971: Chevalier de la Légion d'honneur
5 Febroary 1975: Grand Cordon de l'Ordre national
1 Ôktôbra 1956: niofana tao amin' ny École d'application de l'Infanterie de St Maixent France raha mbola nitondra ny mariboninahitra Sous-lieutenant
Septambra 1964: Voatendry ho Lefitry ny Commandant du Groupement de la Gendarmerie tany Toamasina
Aogositra 1967: Notendrena ho Lefitry ny Komandy Ambony tao amin' ny Zandarmaria nasionaly 1 Jiona 1968: Nahazo fisondrotan' ny mariboninahitra ho Lieutenant Colonel
1 Avrily 1969: Notoloran' ny Filohan' ny RepoblikaPhilibert Tsiranana ny Fanevan' ny Komandy ambony ao amin' ny Zandarmaria.
13 Mey 1972: voatondro ho nikomy tamin' ny Fanjakana mpitondra izy raha nanameloka ny fitifirana ny mpianatra Tolon' ny Mpianatra tamin' ny 13 Mey 1972
25 Mey 1972: Notendrena ho Minisitry ny Atitany, sady Komandin' ny Zandarmaria nasionaly, tamin' ny Governemanta notarihin' ny JeneralyRamanantsoa Gabriel
1 Janoary 1973: nomena ny fisondrotan'ny mariboninahitra ho Kolonely
Martsa 1973- desambra 1974: noho izy Minisitry ny Ati-tany no nahazoany ny solon' anarana hoe "Minisitry ny Ala-olana"
23 janoary 1975: rava ny Governemantan' ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel
5 febroary 1975: natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa azy ny "Fahefana feno" hitondra ny Tany sy ny Fanjakana ka nanekeny fa "tsy hiamboho adidy" izy.
Tamin' ny 6 Febroary 1975 no voatsangana ny Governemanta Richard Ratsimandrava. Enina ambin' ny folo no isan' ny mpikambana (nanantombo isa 6 raha oharina tamin' ny isany mpikambana tao amin' ny governemanta Ramanantsoa, izay 11), ary 24 ora no nanangannan' i Kôlônely Richard Ratsimandrava azy.
Richard Ratsimandrava (Chef de l' État, du Gouvernement et Défense Nationale) ,
Zakariasy Albert (Affaires Étrangères)
Venance Modeste (Justice)
Christian Rémi Richard (Éducation Nationale),
Andriamaholison Richard (Information et Tourisme)
Daniel Rajakoba (Travail et Fonction Publique)
Raveloson Mahasampo (Travaux publics)
Désiré Rakotoarijaona(finances)
Jean Pierre Totobesola (Jeunesse).
Talata 11 Febroary 1975 tamin' ny 8 ora alina: lavon' ny balan' i Zimbo teo Ambohijatovo ambony Ratsimandrava. Maty voatifitra niaraka taminy ny mpiambina azy GP2 Rabotovao Samuel sy GP2 Rakotoarisoa Bernard