From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny onitarisma dia fampianarana ara-pivavahana tsy mino ny Trinite, izay milaza fa fanahy iray dia iray ihany Andriamanitra fa tsy tokana mizara ho persôna telo. Ny onitarisma dia manohitra ny trinitarisma izay foto-pampianaran' ny kristianisma manaraka ny fanapahan-kevitra tao amin' ny Kônsily voalohany tao Nikea tamin' ny taona 325 sy ny Kônsily tao Kalkedôna tamin' ny taona 451 izay arahin' ny fiangonana lehibe toy ny Fiangonana katôlika sy ny Fiangonana ôrtôdôksa ary ny ankamaroan' ny Fiangonana prôtestanta[1].
Mandà ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy -- izay ataony hoe olona manakaiky kokoa an' Andriamanitra ihany na koa mpaminaniny lehibe indrindra, fa tsy Andriamanitra -- ny firehana onitariana. Miampanga ny mpanaraka ny tenim-pinoan' ny Trinite ho tsy tena mivavaka amin' Andriamanitra tokana (mônôteisma) ny onitarisma[2]. Efa tany alohan' ny Kônsily tao Kalkedôna no nisian' ny onitarisma, ka ny tena fantatra dia ny arianisma tamin' ny taonjato faha-4. Taorian' ny nanjavonan' ny arianisma dia teraka indray tao Eorôpa ny onitarisma tao Pôlônia-Litoania sy tany Transylvania teo antenantenan' ny taonjato faha-16, vokatry ny fampianaran' i Ferenc Dávid sy Jean Sigismond Zápolya. Niforona tao Angletera tamin' ny taona 1774 ny fiangonana onitariana voalohany ary niseho amin' ny fomba ôfisialy ny foto-pampianarana onitariana tao Etazonia tamin' ny taona 1784 tao amin' ny fampianaran' i James Freeman (1759-1835).
Tsy afangaro amin' ny Fiangonana Oniata (na Fiangonana miray) ny onitarisma.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.