Norwegian Missionary Society
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Det Norske Misjonsselskap, amin' ny teny nôrveziana, na Norwegian Missionary Society (NMS), amin' ny teny anglisy, izay atao hoe Misiôna Nôrveziana amin' ny teny malagasy, dia fikambanana misiônera voalohany niorina tao Nôrvezy tamin' ny taona 1842 tao amin' ny tanànan' i Stavanger izay nanao tanjona ny hampiely ny fivavahana kristiana amin' ny mponina eto amin' izao tontolo izao, indrindra ny taty Afrika. Olona miisa 180 eo ho eo no nikambana ao tamin' ny fanombohany. I Hans Paludan Smith Schreuder no misiônera voalohany izay niainga ho any Zululand (Afrika Atsimo) tamin' ny taona 1843. Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1866 ny NMS.

Firenena iasan' ny NMS
Nanaovany sy anaovan'ny NMS ny asany ny any amin' ireto firenena tanisaina manaraka ireto:
Any Eorôpa
Aty Afrika
- Afrika Atsimo, nanomboka tamin' ny taona 1842 (hatramin' ny taona 1999);
- Madagasikara, nanomboka tamin' ny taona 1867;
- Kamerona, nanomboka tamin' ny taona 1925;
- Tanzania, nanomboka tamin' ny taona 1956 (hatramin' ny taona 1984);
- Etiôpia, nanomboka tamin' ny taona 1970;
- Malý, nanomboka tamin' ny taona 1986;
Any Azia
Any Amerika
- Brezily, nanomboka tamin' ny taona 1977;
Ireo sekretera sy sekretera jeneraly nifandimby
Sekreteran' ny Misiôna Nôrveziana
Ireo natao hoe "sekretera" fotsiny:
- Andreas Hauge (-1852)
- Peter Blessing (1855–1864)
- Christian Dons (1864- )
Sekretera jeneralin' ny Misiôna Nôrveziana
Ireo sekretera jeneraly:
- Lars Dahle (1887–1920)
- Jørgen Edvin Nilssen (1920–1922)
- Einar Amdahl (1923–1957)
- Fridtjov Birkeli (1957–1961)
- Johannes Skauge (1961–1968)
- Magne Valen-Sendstad (1968–1980)
- Odd Bondevik (1980–1991)
- Tor Berger Jørgensen (1991–2000)
- Kjetil Aano (2000–2011)
- Jeffrey Huseby (2011–)
Ny NMS eto Madagasikara
Fandraisana anjara tamin' ny fandikana ny Baiboly
Tonga teto Madagasikara tamin' ny taona 1866 ny NMS ka isan' ireo nandray anjara tamin' ny fandikana ny Baiboly protestanta amin'ny teny malagasy fanintelony niaraka tamin' ireo misioneran' ny London Missionary Society (LMS) sy ny misionera hafa ka nahavitana ny edisionan' ny Baiboly tamin' ny taona 1887 izay nasiam-panitsiana tamin' ny taona 1908 sy 1909.
Fanorenana ny sy fanampiana ny Fiangonana Loterana Malagasy
Ny fiangonan' ny Norwegian Missionary Society (NMS) sy ny an' ny American Lutheran Church (ALC)[1] ary ny an' ny Lutheran Board of Mission (LBM)[2] no nitambatra ka lasa natao hoe Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) tamin' ny taona 1950. Amin' izao fampiharana ny fizakan-tenan' ny FLM izao dia misy fihenana miandalana ny fanampianan' ny NMS ny FLM, indrindra amin' ny lafiny ara-bola.
Jereo koa
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.