From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Lakandranon' ny Pangalana dia lakandrano eto Madagasikara namboarina tamin' ny taonjato faha-20. Mirefy 654 km[1] eo ho eo ny halavany, mampitohy an' i Farafangana amin' i Toamasina.
Ny ilany atsinanan' i Madagasikara dia tondrahan' ny ony sy renirano maro. Midina avy eny an-tendrombohitra ireo renirano sy ony ireo dia mamorona farihy sy dobo tsy tambo isaina. Nanakana ny fanamboarana lalana ireo lalan-drano ireo. Mampidi-doza ny morontsiraka ka sarotra ny fifamoivoizana.
Nandritra ny fanjanahantany, ny jeneraly frantsay Joseph Gallieni dia nanangana tetikasa fanamboarana lakandrano manamorona ny morontsiraka atsinanana mba hampiharana tsara kokoa ny fanaraha-maso ara-pitantanana sy ara-miaramila ny faritra. Nanomboka tamin' ny taona 1896 ny asa fanamboarana lalan-drano mirefy 665 km eo anelanelan' ny farihy sy farihy madinika ary renirano, manomboka any Foulpointe (na Mahavelona) ka hatrany Farafangana. Mba hanatanterahana izany dia niantehitra tamin' ny asa an-tery vozona nata amin' ny teratany malagasy i Gallieni, izay nanery ny mponina an-toerana hiasa. Olona telonjato no nangady tsy an-kijanona ilay lakandrano tao anatin' ny toe-javatra mahatsiravina. Notokanana tamin' ny taona 1904 ny ampahany voalohany teo anelanelan' i Brickaville sy Toamasina, ary niitatra hatrany Vatomandry izany tamin' ny taona 1915, alohan' ny hamitana azy any Farafangana tamin' ny taona 1949.
Ny fanamboarana azy dia nahafahana namaha ny olana amin' ny fifamoizana matetika tojo ny mpivarotra sy ny tafika an-dranomasina any amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Nosy: tena nampidi-doza tokoa ny fitaterana entana amin' ny toerana mifanakaiky noho ny fisian' ny haran-driaka sy ny onja mahery ary ny onjan-dranomasina nateraky ny fihaonan' ny Ranomasimbe Indianina sy ny Kôntinanta Afrikanina. Amin' ity toerana ity dia betsaka ny sisam-paharavan-tsambo sy ny antsantsa ka mampidi-doza ny milomano manamorona ny morontsiraka atsimo-atsinanana, izay antsoina hoe "morontsiraky ny rivodoza".
Tamin' ny alalan' ny heniheny miolakolaka maro no nanomezan' ilay lakandrano lalana ahazoana mitatitra haingana ny entam-barotra, izay niteraka fanorenana tanàna maro teo amorony.
Taorian' ny fanjanahantany dia tsy nitohy ny fikojakojana azy ary nirodana tsy tapaka ny lakandrano izay nohadiana tamin' ny fasika. Vetivety dia nanirian' ny voahirana lehibe sy ny tsikafonkafombazaha ilay lakandrano, ka nanarona ny ampahany ary nanasarotra ny fandrosoan' ny sambo. Hadino nandritra ny 20 taona izy io, ka nilaozana ny tetezana sy ny lalamby teo aminy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.