Jobily Rakotoson
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jobily Rakotoson dia Malagasy, mpanandro, avy amin' ny foko Antemoro, raha ny marina kokoa ao amin' ny foko Onjatsy, ao amin' ny faritra Vatovavy Fitovinany, mpahay tantara, mpitahiry ny fombandrazana malagasy, anisan' ireo mahalala ny sorabe eto Madagasikara izy. Mitondra anaram-boninahitra "printsy" izy matetika.
Raharaham-pirenena sy fiarahamonina
Anisan' ireo nanorina ny fikambanana "Raiamanderny Mijoro" izy nandritra ilay fahasahiranana ara-pôlitika teto Madagasikara tamin' ny taona 2002 sady mpikambana tao amin' ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (FFM) na Comité du Fampihavanana Malagasy (CFM). Efa nisahana ny andraikitry ny sekretera jeneralin' ny Vaomiera Afrikana momba ny Zon' Olombelona sy ny Vahoaka - sampana Madagasikara (Commission Africaine des Droits de l’Homme et des Peuples Section Madagascar) koa izy.
Kolontsaina
Mpanoratra sy mpandika teny momba ny literatiora am-bava malagasy i Jobily Rakotoson. Nandray anjara fanoratana ao amin' ny boky sy blaogy ary gazety maro izy. Ao amin' ny boky Madagascar Fenêtres, ohatra, izy dia nanoratra momba ny fanandroana malagasy[1]. Ao amin' ny Airelle'R Communication izy dia nanoratra momba ny ziva[2]. Amin' ny adihevitra momba ilay atao hoe Taombaovao malagasy na ny andro voalohany amin' ny volana Alahamady malagasy dia milaza ny printsy Jobily Rakotoso fa mifanandrify amin' ny fiafaran' ny volana Ramadany silamo ny Alahamady[3].
Ny nahafatesany
Nonina tao Ambohipo ao Antananarivo izy tamin' ny fotoana faramparany niainany. Maty noho ny fianjerana tao Antananarivo tamin' ny 27 Janoary 2020 i Jobily Rakotoson tamin' ny faha-95 taonany sady nentina halevina any Vohipeno izay tanàna nahaterahany[4] [5].
Jereo koa
Loharano
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.