Jean Laborde

From Wikipedia, the free encyclopedia

Jean Laborde
Remove ads

I Jean Laborde dia mpanamory sambo frantsay, teraka tamin' ny 16 Ôktôbra 1805 tao Auch (Frantsa), ary maty tamin' ny 27 Desambra 1878 tao Mantasoa (Antananarivo. Madagasikara).

Jean Laborde
Thumb
Ankapobeny
AnaranaJean Laborde
Teraka16 oktobra 1805
ToeranaAuch-Frantsay
Maty27 desambra 1878
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaFrantsay
Asa :Mpamory sambo
Fiainana manokana

Nanomboka tamin’ ny taona 1837 tany ho any no nanorenan’ i Laborde ny toeram-piasany miendrika indostria teo akaikin’ i Mantasoa, izay nantsoiny hoe Soatsimanampiovana, izay namokarana entana maro isan-karazany, manomboka amin' ny tafondro ka hatramin' ny savony.

Tamin' ny taona 1857 dia noresesin' i Joseph-François Lambert lahatra izy mba handray anjara amin' ny teti-dratsy izay mikendry ny hanesorana ny mpanjakavavy efa antitra sy feno habibiana ka hosoloina ny zanany lahy Radama II. Taorian' ny nahitana ilay fikasana fanonganam-panjakana, dia izy no Eorôpeana sisa tavela teto amin' ny Nosy ary noroahina hiala tao amin' ilay firenena.

Thumb
Fasan' i Jean Laborde ao Mantasoa

Taorian' ny nahafatesan-dRanavalona I dia niverina teto Madagasikara izy tamin' ny naha Consul Général frantsay azy tamin' ny taona 1861, ary maty tamin' ny taona 1878.

Remove ads
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads