I Hôsea na Ôsea dia mpaminany israelita voaresaka ao amin' ny Baiboly. Tao amin' ny Fanjakan' i Israely Avaratra izy no niasa tamin' ny nanjakan' i Jerôbôama II (taona 782 hatramin' ny 753 tal. J.K.).

Thumb
Ny mpaminany Hosea, nataon'i Alessandro Bonvicino, taona 1521-1524.

Amin' ny teny hebreo dia atao hoe הוֹשֵׁעַ / Hosheaʻ, izay midika hoe "vonjeo" na "famonjena", ny anarany.

Mpiandry ondry no asany talohan' ny naha mpaminany azy ary vehivavy mpivaro-tena ny vadiny, izay atao hoe Gômera. Ny lovatsofina jiosy dia manao an' i Hôsea ho nanoratra ny Bokin' i Hôsea.

Ny anarany

Avy amin' ny teny hebreo hoe הוֹשֵׁעַ / Hôsheaʻ ny anarana hoe Hôsea izay midika hoe "Vonjeo" na "Famonjena". Mety fanafohezana ny hoe הוֹשֵׁעַיהו izay midika hoe "Mamonjy i Iahveh" (na "Mamonjy i Jehovah" na "mamonjy ny Tompo") na "Mamonje, ry Iahveh !" (na "Mamonje, ry Jehovah !" na "mamonje, ry Tompo !"). Io fototeny io dia hita koa ao amin' ny anarana nohagasina hoe Jôsoa (na Jôsoe) sy Jesoa (na Jesosy) ary ao amin' ny teny nohagasina hoe hosana na hôzana. Maro ny olona nitondra io anarana io tamin' ny taonjato faha-8 hatramin' ny faha-7 tal. J.K. Maro ny tombokase sy soratra ahitana io anarana io izay fantatra tamin' izany vanim-potoana izany[1]. I Hierônimo (na Jerôma) sy i Isidôro avy any Sevila dia nihevitra fa midika hoe "mpamonjy" io anarana io.

Amin' ny teny grika dia atao hoe Ὠσηέ / Ôsêe ao amin' ny Septoajinta (Baiboly jiosy amin' ny teny grika). Ny Prôtestanta malagasy dia manoratra hoe Hosea fa ny Katôlika malagasy kosa Ôsea.

Ny fiainany

Mpaminanin' i Israely tao amin' ny Fanjakan' i Samaria na Fanjakana Avaratra i Hôsea izay velona tamin' ny andron' ny mpanjaka Jerôbôama II (taona 782-753 tal. J.K.) sy fantatra amin' ny alalan' ny faminaniana mikasika azy izay noraiketin' ireo mpianany an-tsoratra tamin' ireo taompolo voalohan' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny fiainam-panambadian' i Hôsea, izay mpiandry ondry tsotra, dia lohahevitra mibahana ao amin' ny boky mitondra ny anarany: lasa tandindon' ny fifandraisana eo amin' Andriamanitra sy ny vahoakany izany. Tantaraina ao amin' ny boky fa nahita ny fanitsakitsaham-bady nataon' ny vadiny nitovy amin' ny mpivaro-tena izy ka nampahory azy izany[2]. Ny fanambadiany sy ny fiterahany ary ny anaran-janany dia niaraka tamin' ny faminaniana tantaraina ao amin' ny boky sady midika fifandraisana tsy milamina teo amin' ny vahoaka voafidy tamin' Andriamanita. Oharina amin' ny vady tsy mahatoky izany vahoaka izany satria nanompo sampy. Andriamanitra kosa dia aseho ho ilay vady mahatoky sady tokana izay miteny amin' ny fon' ny vahoaka araka ny Bokin' i Hôsea na Bokin' i Ôsea (Hôs. 2.14) sady manao izay azo atao hamerenana indray izany vady tsy mahatoky izany amin' ny alalan' ny fisedrana azy sady vonona hamela heloka azy raha vao mibebaka izy.

Jereo koa

Loharano

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.