I Jônà na Jônasa dia mpaminanin' i Israely voaresaka ao amin' ny Baiboly. Ao amin' ny Bokin' i Jônà no misy ny fitantarana azy. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe יונה / Yonah i Jônà. Nirahin' Andriamanitra hampitandrina ny mponina tao Ninive renivohitr' i Asiria ny amin' ny handringanana azy ireo noho ny fahatezeran' Andriamanitra izy nefa niondrana an-tsambo nandeha lalan-kafa. Saika rendrika ny sambo ka natsipy any an-dranomasina izy. Trondro lehibe iray no nitelina azy ka nitoetra tao tanatin' ny hateloana izy ka rehefa tafavoaka avy ao dia nanatanteraka ny iraka nampanaovina azy. Nibebaka ny mponin' i Ninive ka namindran' Andriamanitra fo. Noho i Jônà tsy faly noho izany dia nampahalalain' Andriamanitra azy ny fijalian' ny olona tsy mahazo indra fo.

Thumb
Mitory teny amin' ny mponin' i Ninive i Jona, sary nataon' i Gustave Doré, taona 1866.

I Jônà no olona ifantohan' ny tantara ao amin' ny Bokin' i Jônà ao amin' ny Baiboly.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.