Hazaela
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Hazaela dia mpanjakan' i Arama-Damaskôsy (na Arama-Damasy) tamin' ny taona 842 hatramin' ny 805 tal. J.K. Araka ny voalazan' ny Baiboly dia tandapa izy talohan' ny haha mpanjaka azy. Nandritra ny fanapahany dia lasa fanjakana lehibe i Arama-Damaskôsy izay nanapaka ny ampahany lehibe amin' i Siria sy i Palestina. Amin' ny teny hebreo dia atao hoe חֲזָהאֵל / 'H̱azā'ēl,' fa amin' ny teny arameana dia חזאל. Amin' ny teny akadiana kosa dia Ḫaza’ilu.
Ao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka no iresahana voalohany an' i Hazaela izay nanirahan' Andriamanitra an' i Elia hanosotra azy ho mpanjakan' i Arama-Damaskôsy (1Mpanj. 19.15). Taona maro taty aoriana dia narary i Bena-Hadada II mpajakan' i Arama-Damaskôsy ka naniraka an' i Hazaela tandapany miaraka amin' ny fanomezana nankany amin' ny Elisa (na Elisea), mpaminany nandimby an' i Elia. Naniraka an' i Hazaela koa i Elisa hilaza amin' i Bena-Hadada fa ho sitrana izy, nefa nambarany an' i Hazaela fa ho faty amin' ny fomba hafa ihany i Bena-Hadada na dia sitrana aza. Ny ampitson' io dia niverina tany amin' i Bena-Hadada tany Damaskôsy i Hazaela ka namono azy ary nandrombaka ny fanjakana.
Nandritra ny 37 taona nanjakany dia nitarika ny Arameana hiady amin' ny tafik' i Jehorama mpanjakan' i Isrely sy ny tafik' i Ahazia mpanjakan' i Jodà izy. Taorian' ny nandreseny azy ireo tao Ramota any Galaada (na Ramota-Gileada) dia afaka nisakana ny fanafihan' ny Asiriana koa i Hazaela ka naka ny ampahan-tanin' i Israely any atsinanan' i Jordana, sy nahazo an' i Gata, tanànan' ny Filistina ary niezaka naka koa an' i Jerosalema (2Mpanj. 12.17-18). Resahina ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka ny nahafatesan' i Hazaela (2Mpanj. 13.24).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.