Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fivavahana kananita dia fivavahana semitika fahiny maro isan-karazany izay narahin' ny Kananita nonina tany Ampiposahana nanomboka tamin' ny Andron' ny Alimo ka hatramin' ireo taonjato voalohany taor. J.K. Ny fivavahana kananita dia pôliteista (mivavaka amin' andriamanitra maro), ary indraindray mônôlatrista (misafidy andriamanitra iray amin' ny maro).
Ny finoana any ankoatra sy ny fivavahana amin' ny maty. Nino ny Kananita fa aorian' ny fahafatesan' ny vatana, ny npš (nefesh adika matetika hoe "fanahy") dia miala amin' ny vatana nankany amin' ny Tanin' i Mot ("Fahafatesana"). Alevina am-pasana misy fanaka ny faty, ary misy sakafo sy zava-pisotro atao fanatitra ho an' ny maty mba hahazoana antoka fa tsy hanelingelina ny velona izy ireo. Ivavahana ny havana maty ary angataka fanampiana indraindray.
Tsy nisy na dia iray aza tamin' ireo takela-tanimanga misy soratra hita tamin' ny taona 1929 tao Ogarita (Ugarit), tanànan' ny Kananita (rava tany amin' ny taona 1200 tal. J.K. tany ho any). Ny hevitra rehetra momba izany lahatsoratra izany dia matetika novolavolaina avy amin' ny lahatsoratra fenisianina taloha kokoa nosoratan' i Filôna avy any Biblôsy (tokony tamn' ny 64–141 taor. J.K.), taorian' ny nidiran' ny singa ara-kolontsaina grika sy rômana betsaka tao amin' ilay faritra.
Araka ny araka ny hita ao amin' ny panteôna, fantatra amin' ny tao Ogarita amin' ny hoe 'ilhm (Elohim) na "zanak' i El", voalaza fa azon' i Filôna tany Sankoniatôna (Σαγχουνιάθων / Sankhouniáthōn) any Beirut ilay mpamorona dia fantatra amin' ny anarana hoe Elion, izay rain' ireo andriamanitra, ary araka ny loharanom-pahalalana grika, nanambady an' i Beirut (Beruth = "tanàna"). Io fanambadian' ny adriamanitra amin' ilay tanàna io dia toa mitovy amin' ny hita ao amin' ny Baiboly koa ao amin' ny fitantarana ny fifandraisan' i Melqart sy ny tanànan' i Tiro; i Kemos sy i Môaba; i Tanit sy i Baal Hammon tany Kartagô, i Yah sy i Jerosalema.
Ny fanambadian' i El Elyon sy i Asera (Asherah) mpanaraka azy dia maneho an' i Khronos sy i Rhea tany am-piandohana araka ny fedrà grika na i Saturnus sy i Ops araka ny fedrà rômana. Ao amin' ny fedrà kananita dia misy tendrombohitra kambana, i Targhizizi sy i Tharumagi, mitazona ny habakabaka ambonin' ny ranomasina izay manodidin' ny tany, ka mamaritra ny tany.
I W. F. Albright, ohatra, dia milaza fa ny hoe El Shaddai dia teny avy amin' ny fototeny semitika hita amin' ny teny akadianina hoe shadû ("tendrombohitra") sy shaddā'û na shaddû'a ("mponina an-tendrombohitra"), iray amin' ny anaran' i Amurru. Nilaza i Filôna avy any Biblôsy fa i Atlas dia iray amin' ireo Elohim, izay mifanaraka tsara amin' ny fitantarana an' i El Shaddai izay milaza azy ho "Andriamanitry ny Tendrombohitra". I Harriet Lutzky dia nanolotra porofo fa ny hoe Shaddai dia toetran' ny andriamanibavy semitika, mampifandray ny mpamari-toera amin' ny teny hebreo hoe šad "nono" ho "ny iray amin' ny nono". Ny amin' ny tendrombohitra roa ampifandraisina eto amin' ny maha nonon' ny tany azy ireo dia mifanaraka tsara amin' ny fedrà kananita. Ny filazana momba ny tendrombohitra tsiroaroa dia toa fahita matetika ao amin' ny fedrà kananita (mitovy amin’ i Hôreba sy i Sinay ao amin' ny Baiboly). Ny faran' ny vanim-potoanan' ity kôsmôlôjia ity dia mahasarotra ny milaza hoe inona no mety ho singa ara-pinoana (rômana, grika, na hebreo) nisy fiantraikany tamin' ny asasoratr' i Filôna.
Ao amin' ny "Tsingerin' i Baal", i Baal Hadad dia nanohitra sy nandresy an' i Yam, tamin' ny fampiasana fitaovam-piadiana mahagaga roa (antsoina hoe "Mpitarika" sy "Mpanenjika") nataon' i Kothar-wa-Khasis ho azy. Taorian' izay, noho ny fanampian' i Athirat sy i Anat, i Baal dia nandresy lahatra an' i El mba hanome lapa azy. Nanaiky i El, ary i Kothar-wa-Khasis no nanorina ny lapa. Rehefa vita ny fanorenana ny lapa dia nikotroka mafy teo am-baravarankelin' ny lapa i Baal ary nifanandrina tamin' i Mot.
Niditra teo am-baravarankely i Mot ary nitelina an' i Baal, nandefa azy tany amin' ny tontolo ambanin' ny tany. Satria tsy nisy nanome orana dia nisy hain-tany mahatsiravina tamin' ny tsy naha eo an' i Baal. Ny andriamanitra hafa, indrindra fa i El sy Anat, dia nikorontan-tsaina fa nentina tany amin' ny tontolo ambanin' ny tany i Baal. Nankany amin' ny ambanin' ny tany i Anat, nanafika an' i Mot niaraka amin' antsy, nanorotoro azy ho potipoti-javatra, ary nampiely azy lavitra. Rehefa resy i Mot dia afaka niverina sy namelombelona ny tany tamin' ny orana i Baal.
Nisy andriamanitra maro tao amin' ny ambaratongam-pahefana efatra notarihan' i El sy i Asherah no nivavahan' ny mpanara-dia ny fivavahana kananita; ity ny lisitra:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.