Ny Fiangonan' i Jerosalema na Eglizin' i Jerosalema dia ny fianakaviambe kristiana izay lazaina, araka ny lovantsofina kristiana, fa naorin' i Jakôba ilay Marina izay nitarika ity vahoaka ity taorian' ny fahafatesan' i Jesoa avy any Nazareta.

Fiangonana voalohany

Ny mpikambana tao amin' ity Fiangonan' i Jerosalema ity dia Jiosy mbola nanaja ny lalàn' i Mosesy, izay atsoina hoe Nazôreana indraindray, nefa tsy fantatra marina ny momba azy noho izy ireo nihataka ny tontolo namokatra ny Testamenta Vaovao[1]. Taorian' ny fanomboana tamin' ny hazo fijaliana dia niseho tamin' ny mpianany sy tamin' ny "rahalahy tsy omby dimanjato miaraka" i Jesoa (1Kôr. 15.5-7)[2][3]. Ireo vondron' olona atao hoe Nazôreana ireo (izay Jodeô-Kristiana tia vavaka, mazoto mamonjy ny Tempoly), dia nivondrona teo ambany fahefan' i Jakôba ilay Marina fa i Paoly avy any Tarsisy kosa namorona ny fianakaviambe kristiana helenista izay notarihin' i Stefana (na Etiena) (Asa 6.5)[4] [5].

Ny fiainana andavanandron' izany fiangonana jiosy izany dia maneho olona tso-piainana izay niara-niaina sy niombom-pananana ka niara nizara mofo tamin' ny famamakiana izany sady niara-nivavaka, izay nanao asa fanasitranana nampalaza azy ireo, araka an' i Flavio Jôsefa[6]. Ny fisokafan' izany fiangonana izany amin' ny Jentilisa (na Jentily) dia nanomboka tamin' ny niovan' ilay kapiteny rômana atao hoe Kôrnelio sy ny Kônsily tao Jerosalema teo an-tenantenan' ny taonjato voalohany. Tsy nisy anefa fomba ahalalàna fa nisy Jentilisa niova ho Kristiana tamin' izany fotoana izany tao Jerosalema ary ny anarana hoe Kristiana koa dia mbola tsy nampiasaina[7].

Ny fandosiran' ny Fiangonan' i Jesosalema nankany Pela

Araka ny lovantsofina taterin' i Eosebio avy any Kaisarea[8] sy i Epifaniôsy avy any Salamisy[9], taoriana kelin' ny Fikomiana jiosy lehibe (taona 66-73 taor. J.K.) dia nahazo fampiomanana tamin' ny alalan' ny faminaniana momba ny fandravana ny Tanàna Masina ny mpino tao amin' ny Fiangonan 'i Jerosalema. Noho izany dia nandositra an' i Jerosalema ka nanorim-ponenana tao amin' ny tanànan' i Pela (i Tabaqat Fahil any Transjordania ankehitriny) izy ireo. Ny fahamarinan' izany lovantsofina izany dia toherin' i S. G. F. Brandon noho ny fisian' ny zavatra sarotra porofoina (ohatra ny datin' ny fandosirana, ny fanorenam-ponenana tany amin' ny tontolo jentiisa tsy tia azy ireo)[10]. Araka an' i J. Bourgel, ny mpino tao amin' ny Fiangonan' i Jerosalema, sahala amin' ireo Jiosy maro hafa, dia nankany Rôma ka namponenina an-keriny tao Pela[11].

Jereo koa

Loharano sy fanamarihana

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.