Remove ads
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fanekena Vaovao dia fandikana ara-Baiboly izay avy amin' ny andian-teny voarakitra ao amin' ny Bokin' i Jeremia (Jer. 31:31–34)[1], ao amin' ny Baiboly hebreo (na Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana). Atao hoe ברית חדשה / berīt khadashah izany amin' ny teny hebreo fa διαθήκη καινή / diathḗkē kainḗ kosa amin' ny teny grika.
Amin' ny ankapobeny, ny Kristiana dia mino fa ny Fanekena Vaovao nampanantenaina dia naorina tamin' ny Fanasana Farany amin' ny maha anisan' ny Eokaristia izany, izay, ao amin’ ny Filazantsaran' i Joany, dia ahitana ny Didy Vaovao. Miorina amin' ny andalan-teny ao amin' ny Epistily ho an' ny Hebreo (Heb. 9:16-17)[2], ny Prôtestanta dia mazàna mino fa ny Fanekena Vaovao dia tsy manan-kery afa-tsy tamin' ny fahafatesan' i Jesoa Kristy. Noho izany, ny Kristiana dia mino fa i Jesoa no mpanelanelana amin’ ny Fanekena Vaovao, ary mino koa izy ireo fa ny ran' i Kristy, izay nalatsaka nandritra ny fanomboana azy, no hany sorona alatsa-dra takin' ilay fanekena.
Misy eskatôlôjia kristiana maro izay mamaritra bebe kokoa ny Fanekena Vaovao. Ohatra, misy eskatôlôjia izay mamaritra sy manoritsoritra ny Fanekena Vaovao ho fifandraisana mitohy eo amin' ny Kristiana sy Andriamanitra izay hisy vokany tanteraka aorian' ny fiavian’ i Kristy fanindroany; izany hoe tsy ho ao anatin' ny fahavokarana feno ao amin' ny fo mino fotsiny izany, fa ho vokatra koa any amin' ny tontolo ho avy. Ny famariparitana ny fifandraisan’ ny ran' i Kristy sy ny Fanekena Vaovao dia hita ao amin' ny Testamenta Vaovao toy ilay andalan-teny manao hoe: "Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin' ny rako, izay aidina ho anareo." (Lioka 22.20, Ny Baiboly).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.