From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana na Taratasin' i Masindahy Paoly ho an' ny Kôlôsianina dia boky hita ao ao amin' ny Testamenta Vaovao amin' ny Baiboly, izay anisan' ny atao hoe epistily. Araka ny lovantsofina dia taratasy nalefan' ny Apôstôly Paoly ho an' ny fiangonana kristiana tany Kôlôsia izany. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 60 sy 63 no nanoratana azy. Misy toko 4 ity boky ity.
Επιστολή προς Κολοσσαείς / Epistolê pros Kolossaeis no fiantsoana azy amin' ny teny grika fa Epistula ad Colossenses kosa amin' ny teny latina.
Ny Prôtestanta malagasy sy ny ankamaroan' ny Kristiana malagasy tsy katôlika dia manao hoe Epistily ho an' ny Kolosiana (hafohezina amin' ny hoe Kolosiana) fa ny Katôlika malagasy kosa manao azy hoe Epistolà na Taratasin' i Masindahy Paoly ho an' ny Kôlôsianina (hafohezina amin' ny hoe Kôlôsianina).
Tsy i Paoly no nanorina ny fiangonana tao Kôlôsia fa i Epafrasy no nitory ny vaovao mahafaly tao (Kôl. 1:7). Eny am-panombohana ny taratasiny i Paoly dia miarahaba ny mpamaky azy sy manome voninahitra an' Andriamanitra ary mivavaka (Kôl. 1:1-11). Soritsoritany mazava ny amin' i Kristy sy ny asa fanavotana nataony ka ilazany fa amin' ny firaisana amin' i Kristy ihany no misy ny fahasambarana fa tsy araka izay lazain' ny mpampianatra mandainga (Kôl. 1:12-23; 2:6-19). Lazalazain' i Paoly koa ny ady atrehiny hampandrosoana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin' ny Kristiana kôlôsiana sy laôdikeana (Kôl. 1:24 – 2:5).
Mampitandrina mialoha ny Kristiana ao Kôlôsia i Paoly mba tsy ho voataonan' ny fampianarana mifanohitra amin' ny fampianaran' i Kristy. Izany fampianarana tsy izy izany dia manankina ny famonjena amin' ny fahalalana miafina, izay fantatra taty aoriana amin' ny anarana hoe gnôstisisma. Ny Fiangonana dia vatan' i Kristy, hoy i Paoly (Kôl. 1:15-20). Ampahatsiahivin' i Paoly ny fototra iorenan' ny Vaovao Mahafaly. Ny fampianaran' ny filôzôfa izany fampianara-diso izany (Kôl. 2:8) izay mampifangaro finoana isan-karazany amin' ny fivavahana jiosy (toy ny fivavahana amin' ny anjely sy ny tsy maintsy hanatanterahana famoràna) izay miendrika fampijalian-tena hahazoana famonjena (Kôl. 2:20-23).
Mananatra ny Kristiana mba tsy hino afa-tsy an' i Kristy voahombo tamin' ny hazofijaliana sy nitsangan-ko velona i Paoly. Ny finoana an' i Kristy, hoy i Paoly, no manafaka amin' ny fahendren' izao tontolo izao, izay tsy marina, sy amin' ny fitandremana ny Lalàna. Manambara i Paoly fa ny fiainana kristiana dia fiainan' ny olona afaka (Kôl. 2:20-3:5) sady anjakan' ny fitiavana sy ny fiadanana (Kôl. 3:6-17) izay tsapa eo amin' ny fianan' ny fianakaviana sy ny fiarahamonina (Kôl. 3:18-4.6).
Azo zaraina telo ny Epistily ho an' ny Kôlôsiana:
Boky hafa ao amin' ny Baiboly:
Lohahevitra hafa
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.