Boky Mena
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Boky Mena dia asasoratry ny filoha malagasy teo aloha Didier Ratsiraka tamin' ny taona 1975. Ity boky ity dia lahatsoratra natao ho sori-dalana sy fanehoana ny ideôlôjia sy ny pôlitika hitondrana ny Repoblika Demokratika Malagasy (1975-1991), natarihin' ny fitondrana sôsialista. Charte de la Révolution Socialiste Malagasy no anarana fenon' io boky io amin' ny teny frantsay[1]. Nantsoina hoe "Boky Mena" ilay boky noho ny fonony mana[2]. Mamelabelatra ny vinan' ny filoha Ratsiraka momba an' i Madagasikara io boky io, izay aingam-panahy avy amin' ny sôsialisma siantifikan' ny marksismea-leninisma sy ny ady amin' ny imperialisma.
Votoatiny
Lahateny fanokafana
Ny votoatin' ity boky ity dia fitambaran' ny lahateny maromaro notontosain-dRatsiraka taorian' ny nandraisany ny fahefana, izany dia nanomboka amin' ny fanambaràna voalohany tamin' ny 16 Jona izay nilazany fa ny sôsialisma no hany fomba hahatrarana ny fampandrosoana, narahin' ny lahateny lava mamaritra ny firehana ara-poto-kevitry ny governemanta vaovao, nalefa an' onjampeo nandritra ny andro maromaro tamin' ny volana Aogositra sy Septambra ary navoaka niaraka amin' ny Charte de la Révolution Socialiste Malagasy[2].
Sata
Tao anatin' ilay repoblika demôkratika vao nahazo anarana vaova dia nanana fahefana ôfisialy ambonin' ny lalàmpanorenana ilay boky[1].
Revôlisiôna sôsialista
Araka ny voalazan' ny Boky Mena, ny tanjona voalohany amin' ny Repoblika Demôkratika Malagasy dia ny hanorina "fiarahamonina vaovao" miorina amin' ny ainga fototra sôsialista ary tarihin' ny "andry dimin' ny Revôlisiôna", dia ny Filankevitra Faratampon' ny Revôlisiôna, ny tantsaha sy ny mpiasa, ny tanora manam-pahaizana, ny vehivavy ary ny Tafi-bahoaka. Manazava ny Boky Mena fa ny Revôlisiôna Sôsialista no hany safidy azo atao mba hahatongavana amin' ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-kolontsaina haingana amin' ny fomba mahaleo tena sy manaja ny maha-olona ary mirindra. Ny fitsipika fototra hafa ifantohan' ilay boky dia ny diplômasia tsy momba ny atsy na ny aroa sy ny fanoherana ny fanjanahantany amin' ny endriny vaovao[3].
Fampandrosoana maro lafy
Io boky io no mamaritra ny ainga fototry ny sôsialisma malagasy sy ny fomba hitondrana ny firenena amin' ny lafiny ara-toekarena sy ara-pôlitika ary ara-piarahamonina. Io boky io koa dia manohana ny toekarena misy teti-pandaminana izay ananan' ny fanjakana anjara toerana lehibe, miaraka amin' ny fanaovana ho fananam-pirenena ny orinasa stratejika maro.
Fiandrianam-pirenena sy soatoavina
Manantitra ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantena pôlirika amin' ny firenena any ivelany ary ny fahaleovantena ara-toekarena ilay boky. Mampirisika ny fampianarana amin' ny teny malagasy sy ny fanomezana lanja ny kolontsaina malagasy ampifanarahina amin' ny fomba fijery sôsialista revôlisiônera.
Ity boky ity dia nametraka ny ainga fototra sy ny tanjon' ny revôlisiôna sôsialista malagasy, nahindrahindran' i Didier Ratsiraka. Asongadiny ny soatoavina toy ny firaisam-pirenena, ny firaisankina, ny fampandrosoana ary ny fahaleovantena. Nisy fiantraikany lehibe teo amin' ny fiarahamonina malagasy tamin' izany fotoana izany ny Boky Mena, ka nahatonga ny fanarenana ara-pôlitika sy ara-toekarena ary ara-piarahamonina lehibe.
Vokatra sy tsikera
Ny Boky Mena no fototra jdeôlôjikan' ny fitondran-dRatsiraka tamin' ny Repoblika faharoa (1975-1991). Nisy mpanakiana ny Boky Mena sy ny pôlitika notarihin-dRatsiraka noho ny fitondrany tsy refesi-mandidy sy ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsôsialy nianjady tamin' ny vahoaka malagasy nandritra izany vanim-potoana izany. Ny faharatsian' ny vokatra ara-toekarena tamin' izany pôlitika izany dia niteraka fisokafana tamin' ny toekarenan-tsena tamin' ny taompolo 1980.
Rohy ivelany
- Ratsiraka, Didier (1975). Charte de la revolution socialiste malagasy (PDF). Imprimerie d'Ouvrages Educatifs.
- Ratsiraka, Didier (1975). Charter of the Malagasy Socialist Revolution. Washington, D. C.: Embassy of the Democratic Republic of Madagascar. OCLC 17785365.
Loharano sy fanamarihana
Wikiwand - on
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.