Asara (volana malagasy)

From Wikipedia, the free encyclopedia

Remove ads
Remove ads

Ny Asara dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny volana Asara amin'ny Betsimisaraka sasany anefa ataon'ny Malagasy amin'ny ankamaroan'ny faritra hoe Maka na Volamaka. Io teny hoe Asara io ihany, amin'ny Betsileo sasany, dia ataon'ny Malagasy amin'ny ankamaroan'ny faritra hoe Sakave.

Amin'ny Antesaka dia fotoam-pahavokaran'ny vary ny Asara, ka mifanandrify amin'ny volana Desambra izany hoy i Richardson (1885) fa amin'ny Novambra - Janoary kosa hoy Rakotosaona (1972) sy i Descamps (1936)[1].

Amin'ny faritra maro eto Madagasikara dia anondroana ny fizaran-taona mafana sy be orana, izany hoe ny fahavaratra (Rajemisa Raolisona 1985), ny teny hoe Asara[1]. Amin'ny Tanala sy ny Bara dia ilazana ny fahavaratra ny teny hoe Asara, manao toy izany koa ny Sakalava[1],

Remove ads

Jereo koa

Loharano

Loading content...
Loading related searches...

Wikiwand - on

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Remove ads