From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Asaramantsina dia iray amin'ireo volana malagasy mitondra anarana avy amin'ny teny sanskrita. Ny Sakave no eo alohany ary ny Asaramanitra no eo aoriany. Misy koa ny Malagasy manonona hoe Saramantsina, Saramantsy, Asaramanara, Saramaimbo, Asaramaimbo. Ny Vezo sy ny Masikoro dia mamanao hoe Pitsamaimbo. Na dia mampiasa teny mitovy na mitovitovy aza ny isam-paritra dia mety samihafa ny fari-otoana ao amin'ny taona tondroina amin'io teny io arakaraka ny faritra eto Madagasikara.
Amin'ny Bezanozano dia volana faha-12 ny Asaramantsina fa fahasivy kosa amin'ny Sihanaka (Rakotosaona, 1972)[1]. I Richardson dia nanoratra fa volana mifanandrify amin'ny Adaoro merina ny Asaramantsina[1].
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.