![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/71/VoltaRiverWithAdombeBridge183-1-.jpg/640px-VoltaRiverWithAdombeBridge183-1-.jpg&w=640&q=50)
Volta (ony)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Volta dia ony any Ganà izay foronin' ny fihaonan' i Volta Noire (na Mouhoun) sy i Volta Blanche (na Nakambé) ary i Volta Rouge (na Nazinon). Mikoriana mianatsimo izy ary miampita ny farihy Volta, ao Ganà, avy eo mitambatra amin' ny ony Ada eo amin' ny Hoalan' i Ginea. Na i Volta Noire sy i Volta Blanche dia samy manana ny loharanony ao Borkina Fasô (firenena fantatra taloha tamin’ny anarana hoe Haute-Volta).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/71/VoltaRiverWithAdombeBridge183-1-.jpg/320px-VoltaRiverWithAdombeBridge183-1-.jpg)
Ny anarany, izay midika hoe "fihodinana" amin' ny teny pôrtogey, dia nomen' ilay Pôrtogey mpandeha an-tsambo azy, noho ny lalany miolikolika. Mihaona tao Yeji ireo renirano roa ambony ireo, Yeji izay toerana rakotry ny farihy Volta ankehitriny. Ny halavany manontolo, anisan' izany i Volta Noire, dia 1 450 km eo ho eo. I Oti sy i Afram no sakeli-dranony lehibe. Mahatratra 400 000 km2 ny faritanin-dranon' ilay ony sy ny sakeli-dranony ary 1 200 m3/s ny salan-kabetsahan-dranony eo am-pivarinany any an-dranomasina.