I Volta Rouge (antsoina hoe Nazinon any Borkina Fasô) dia renirano any Afrika Andrefana izay mamakivaky an' i Borkina Fasô sy Ganà. Sakelidranon’ i Volta Blanche (na Nakambé) ao amin’ ny ilany ankavanana sady zana-tsakelidranon’ ny ony Volta izy.

Thumb
Ny ony Volta sy ny renirano Volta Noire (na Mouhoun) sy Volta Blanche (na Nakambé) ary Volta Rouge (na Nazinon) ary ny firenena lalovany sy manodidina azy

Any Borkina Fasô, ao andrefan' i Ouagadougou renivohitra, no ipoiran’  ny loharanon’ i Volta Rouge. Mitodika avy hatrany mianatsimo-atsinanana, izay lalana tazominy mandritra ny diany, ity renirano ity. Miampita ny Valan-Javaboarin' i Kaboré-Tambi (Parc National Kaboré-Tambi) izy io, ary miala ao Borkina Fasô aorian' izay ka miampita ny tanim-pirenen' i Ganà. Ao amin' ity firenena ity no misy ny lalam-pikorianany ambany izay mirefy 30 km. Mivarina ao amin' i Volta Blanche (na Nakambé) eo amin' ny sisiny havanana izy amin’ ny farany.

Mirefy 266 km ny halavany ao Zangodi (akaikin' ny fihaonany). Mirefy 12 111 km2 ny sahan-dranony izay hita indrindra any Borkina Fasô.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.