From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny voankazo voarara, araka ny fitantaran' ny Baiboly ao amin' ny Bokin' ny Genesisy, dia voan' ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, izay teo akaikin' ny hazon' aina, teo afovoan' ny saha Edena, (Genesisy 2:9), araka ny nampahatsiahivana izany an' ilay Vehivavy (izay tsy mbola natsoina hoe Eva ao amin' ny fiantombohan' ilay fitantarana, Genesisy 33:3).
I Iahveh dia nampitandrina an' i Adama ny zavatra mety hanjo azy raha mihinana ny voan' ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy ary nandrara izany nefa ny bibilava (na ny menarana) (Nahash, amin' ny teny hebreo) dia naka fanahy an' i Eva, izay nihinana niaraka amin' i Adama. Nanapa-kevitra Andriamanitra ka nandroaka an' i Adama sy i Eva ary ampitoeriny tany atsinanan' ny saha Edena "ny Kerobima sy ny lelafon' ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin' ny hazon' aina" mba tsy hahatonga azy ireo tsy ho mety maty sy tsy hiditra amin' ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.