Tetiandro manara-masoandro
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tetiandro manara-masoandro dia tetiandro ahitana volana roa ambin'ny folo nefa tsy miankina amin'ny fihodinan'ny Volana amin'ny Tany fa ahitana fampifanandrifiana ny tsingerin-taona amin'ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro na amin'ny tsingrin'ny fizaran-taona.
Ao amin'ireo tetiandro manara-masoandro dia tsy mifanaraka amin'ny faharetan'ny tsingerim-pihodinan'ny Volana ny iray volana. Ny faharetan'ny iray taona no kendrena hanakaiky indrindra ny tsingerim-pihodinan'ny Tany amin'ny Masoandro izay maharitra 365,242201 andro. Tetiandro manara-masoandro tanteraka ny tetiandro egiptiana sy ny tetiandro joliana ary ny tetiandro gregoriana.