From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny volana dia tsingerim-potoana na halavam-potoana mitovitovy faharetana amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany. Arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny halavan' ny volana ka mety ho 28 ka hatramin' ny mihoatra ny 30 andro izany. Misy herinandro efatra mahery andro vitsivitsy ny ao anatin' ny iray volana raha misy fito andro ny herinandro iray. Misy 12 volana ny ao anatin' ny taona iray nefa mety hisy volana fanampiny izany arakaraka ny tetiandro ampiasaina ka hahatonga ny taona sasany hisy 13 volana. Manana anarana arakaraka ny tetiandro ampiasaina ny volana tsirairay ao anatin' ny taona.
Tamin' ny voalohany dia ny fifanindrifian' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana sy ny an' ny Masoandro no nandrefesana ny volana. Maro karazana ny faharetan' ny volana iray arakaraka ny teboka izay heverina ho sady fiaingana no fiafaran' ny lalan' ny Volana.
Ny salam-paharetan' ny volana gregôriana dia 30,436 875 andro ao anaty efajato taona fa 30,4375 andro kosa anaty efatra taona.
Ireto ny anaram-bolana ôfisialy amin' ny teny malagasy ao anatin' ny iray taona amin' ny tetiandro be mpampiasa amin' izao: Janoary (31 andro), Febroary (28 na 29 andro), Marsa (31 andro), Avrily (30 andro), Mey (31 andro), Jona (30 andro), Jolay (31 andro), Aogositra (31 andro), Septambra (30 andro), Ôktôbra (31 andro), Nôvambra (30 andro), Desambra (31 andro). Ny totalin' ny andro anatin' ireo volana ireo dia 365 na 366 andro.
Ny Febroary dia mety ho soratana hoe Fevrie; ny Marsa mety ho Martsa; ny Mey mety ho May; ny Jona mety ho Jiona.
Ny ankamaroan’ ny anaram-bolana môderna dia anarana nanomezam-boninahitra ireo andriamanitry ny Rômana sy ny emperora na kaisarany fony izy ireo nanompo sampy. Na dia lasa tanàna kristiana aza i Rôma dia tsy nanan-kevitra hanova ireo anaram-bolana ireo ny mpitondra fivavahana izay nanam-pahefana tamin-javatra maro tamin' izany fotoana izany. Tsy nanova koa ny antokom-pivavahana kristiana hafa niforona taty aoriana, na dia ireo izay tsy te hanan-javatra ifandraisana amin' izay lazainy ho fanompoan-tsampy aza.
Malagasy | Frantsay | Anglisy | Latina | Heviny |
Janoary, Zanvie | Janvier | January | Ianuarius | Mifandray amin' ny andriamanitra Janosy, andriamanitry ny fiantombohana sy ny fiafarana. |
Febroary, Fevrie | Février | February | Februarius | Volam-pidiovana, mifandray amin' i Apôlô, andriamanitry ny zavakanto, ny hira, ny mozika, ny hatsara endriky ny lehilahy, ny tononkalo ary ny fahazavana. |
Marsa, Martsa | Mars | March | Martius | Mifandray amin’ i Marsa, andriamanitry ny ady. |
Avrily, Aprily | Avril | April | Aprilis | Volam-pisokafan’ ny voninkazo sy ny taona, volan’ ny andriamanibavy Afrôdita |
Mey, May | Mai | May | Maius | Mifandray amin’ ny andriamanibavy Maia, andriamanitry ny fahalonahana sy ny lohataona |
Jona, Jiona | Juin | June | Iunius | Mifandray amin’ ny andriamanibavy Jonô, mpiaro ny fanambadiana |
Jolay | Juillet | July | Iulius | Volana anomezam-boninahitra an’ i Jolio Kaisara (emperora romana) |
Aogositra | Août | August | Augustus | Volana anomezam-boninahitra an’ i Aogosto (Kaisara) |
Septambra | Septembre | September | September | Volana "fahafito" |
Oktobra | Octobre | October | October | Volana "fahavalo" |
Novambra | Novembre | November | November | Volana "fahasivy" |
Desambra | Décembre | December | December | Volana "fahafolo" |
Ny volana malagasy mitondra anarana arabo dia misy 29 na 30 andro satria momba ny tetiandro manara-bolana manaraka ny tsingerim-pihodinan' ny Volana izay maharitra 29,530 589 andro (na 29 andro sy 12 ora sy 44 minitra). Ny andro voalohany amin' ny volana tsirairay dia ny andro ahatsinanan' ny Volana ka tsy misy daty raikitra mifanandrify aminy ao amin' ny tetiandro gregoriana izany satria ny salam-paharetan' ny volana gregoriana dia 30,436 875. Misy karazany roa ny anaram-bolana malagasy ka ny iray avy amin' ny fiteny arabo fa ny iray hafa avy amin' ny fiteny sanskrita. Tsy raikitra ny fifanandrifian' ireo volana roa toko ireo noho ny fahasamihafana isam-paritra sy isaky ny mpanandro, nefa misy ny milaza fa toy io aseho amin' ny fafana manaraka io izany fifandraisana izany.
Anaram-bolana avy amin' ny teny arabo | Anaram-bolana avy amin' ny teny sanskrita |
Alohotsy | Asaramasay |
Alahamady | Asarabe |
Adaoro | Vatravatra |
Adizaoza | Asotry |
Asorotany | Hatsiha |
Alahasaty | Volasira |
Asombola | Fosa |
Adimizana | Maka |
Alakarabo | Hiahia |
Alakaosy | Fisakamasay |
Adijady | Fisakavy |
Adalo | Volombita |
Volana
Tetiandro
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.