Volana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Volana (marika: ) dia satelitan' ny Tany. Ny Volana no satelita voajanahary ngeza indrindra eo amin' ny lamin-drafitry ny Masoandro. Ny halaviran' ny tany amin' ny Volana dia mirefy 384 403 km (in-30n' ny savaivon' ny Tany).
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |
Ny teny malagasy hoe volana dia avy amin' ny teny aostrônezianina (jereo ny teny malay hoe Bulan [bulan]).
Amin' izao fotoana izao, ny Volana ihany no satelita nandehanan' ny olona sy notsidihin' ny olona ary nodiavin' ny olona. Luna I, zanabolana rosiana, no zanabolana voalohany nihodinkodina manodindina ny Volana tamin' ny taona 1959, tamin' io taona io ihany koa dia nipetraka teo amin' ny Volana ny sambondanitra Luna 2, fa potika ilay saondy teo am-pidinana. Tamin' ny taona 1959 ihany nalain' i Luna 3 sary ny sarim-bolana tsy hita maso raha avy eto an-Tany.
Tamin' ny taona 1966, tena vitan' ny Rosiana ny nametraka ny Luna 9 teo ambon' ny Volana, ary mandeha manodidina ny Volana ny saondy Luna 10 taty aorinana.
I Etazonia ihany ankehitriny no nahavita nandefa olombelona teny amin' ny Volana, araka ny tanjon' ny tetikasa Apollo izay nanomboka tamin' ny taona 1969 ary tapitra tamin' ny taona 1972. Natsahatra tamin' ny taona 1972 ny prôgrama Apollo. Betsaka ny zavatra nentina avy eny amin' ny Volana ary betsaka ny zavatra navelan' ny olona teny: ny zavatra nentina avy any amin'ny Volana dia vato isankarazany, ary navela tany amin' ny Volana ny jeep sy saondy rehetra. Ankehitriny, ny Volana no satelita tena voadinika indrindra amin' ny lafin 'ny haikintana [1]